… Voalohany indrindra isika mahatsikaritra fa Andriamanitra namorona ny olona tamin’ny andro fahenina ary farany mihitsy ka tsy nisy vehivavy tamin’izany. Avy eo Izy dia nitsahatra tamin’ny asany tamin’ny andro fahafito izay tokony ho jerena ho taona maro be. Avy eo nahita fa irery ralehilahy, ka Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny hanao mpanampy sahaza ho azy. Raha tsy izay, tamin’ny drafitra niandohana, Andriamanitra dia nahita hoe tsy ilaina izany. Izany no mahatonga ny hoe ny famakiana tsara ny Genesisy 2:18 dia hoe: « Ary Jehovah Andriamanitra nanao hœ: Tsy tsara [loatra] raha irery ralehilahy; dia hanaovako mpanampy sahaza ho azy izy ».
Noho izany ny vehivavy dia tsy tao anaty voahary niandohana fa azo avy tao amin’ny lehilahy izy. Ny alikavavy, ny akohovavy sy ny hafa dia voahary niandohana avokoa fa tsy toy izany nefa ny amin’ny vehivavy. Izany no mahatonga ny hoe isaky ny karazam-biby, ny fananahana (Na: fanaovana firaisana ara-nofo) dia amin’ny vanim-potoana voatondro izay tsy izany aty amin’ny olombelona. Ary ianareo dia tsy hahita alikalahy miakatra amin’ny vavy mitondra vohoka. Hitanareo? Tsy izany no miseho aty amin’ny olombelona. Na dia vehivavy lehibe efa mitsahatra amin’ny fananahana aza dia mbola manao firaisana ara-nofo ihany. Hitanareo? Afaka miteny aho noho izany am-panajana fa ny vehivavy no ambany indrindra ao anatin’ny voahary. Ary… Andriamanitra Izao mihitsy amin’ny maha masi-mandidy Azy no nametraka azy eo ambanin’ny fahefan’ny lehilahy. Noho izany, rehefa tsy eo ambanin’ny fahefan’ny rainy izy, dia mipetraka eo ambanin’ny fahefan’ny vadiny. Ny rainy na ny vadiny dia manan-jo ny hanafoana ny voadiny. Jereo Nomery 30… Hitanareo! Jesosy-Kristy dia tsy tonga hanafoana ireny zavatra ireny. Koa azontsika izany mifanaraka amin’ny Genesisy toko faha-2 fa ny vehivavy dia tsy teo fony Andriamanitra nanome toro-marika an’i Adama tao amin’ilay saha. Misy antony izany! Tsy teo izy fony Adama nanome anarana ireo biby, ireo voro-manidina sy ireo hafa! Hitanareo? Nataon’Andriamanitra izany rehetra izany mba haneken-dravehivavy am-panetren-tena ny toerany.
Miresaka momba ny asa fanompoany, raha tsy tonga hanao iraka toy ny an’i Jodasy ny lehilahy anankiray, dia tsy ekeny ny vehivavy eny amin’ny pilipitra; ary raha tsy osy ny tena, nateraka ho voafitaka, dia tsy afaka ny hipetraka hihaino vehivavy mitoriteny na mitarika hira rehefa eo ireo lehilahy! Na dia mety tsara aza ny anaovany izany, dia ny devoly no ao ambadik’izany. Ny natiora mampianatra antsika fa ny vehivavy dia tsy mitondra tsirin’ain’ny lehilahy. Ary ankizilahy iray eo anivon’ny vehivavy arivo dia manova ny “elles” ho “ils” (fitsipi-pitenenana frantsay). Ny zanak’Andriamanitra anankiray dia tsy afaka mandeha manohitra izay efa napetrak’Andriamanitra na dia tsy misy ny Fanahy aza izy dia ho tsy hahazo aina (Na: voaelingelina, tsy milamina) ihany! Ny Baiboly dia tsy afaka manohitra ny tenany. Raha nametraka vehivavy ho apostoly na mpianatra i Jesosy dia tsy izy izany no ilay Mesia. Raha navelan’i Paoly hitoriteny ny vehivavy dia sandoka izy na inona na inona fahagagana mety ho vitany, dia ho fahagagana mamitaka izany. Ao anatin’ny Testamenta Taloha manontolo, dia tsy nisy vehivavy mpisorona. Na dia teo amin’izao tontolo izao aza, tsy nisy vehivavy ministra taloha, ny famotsorana (Na: famelana hahaleo tena, fanafahana) no nametraka ny vehivavy teo! Tsy nisy izany hoe vavy (féminin) amin’ny “ministra” izany. Ary fantatsika fa ny vehivavy dia tonga teo amin’ny sehatr’ireo firenena avy amin’ny famotsorana. Nahita ireo vehivavy nitolona ho an’ny fahafahana mifidy tany Eoropa sy tany Amerika isika fa tao amin’ny Testamenta Taloha, tany Isiraely, tsy mba nanisa ireo vehivavy ny olona. Ary aty Afrika, tsy afaka ny ho atao mpitarika ny tanàna ny vehivavy. Na dia any amin’ireo tanàna aza ka mivory ny lehilahy, dia tsy mahazo mandray fitenenana ny vehivavy. Izay nomen’Andriamanitra ny jiosy avy amin’ny soratra, dia nomeny ny jentilisa eo amin’ny fon-drizareo! Ianareo ve no nampianatra azy ireo ny vodiondry ao anatin’ny fanambadiana? Ireo voaloham-bokatra? Ny manome ny anaran-dray amin’ny zanaka-lahy voalohany? Ny manao ra ho fanatitra, rehefa misy fahotana lehibe na fanekena. Dia toy izany koa no nanambaran’Andriamanitra azy ireo ny toeran’ny vehivavy. Na dia tsy nisy fampianarana aza, dia fantatr’izareo hoe ilay fahotana voalohany dia firaisana ara-nofo.
Ary tsy azoko hoe misy olona izay manana Baiboly eny an-tanany nefa manao toy izao, mametraka vehivavy eny amin’ny pilipitra mba hitoriteny na hitarika fiderana nefa eo ireo lehilahy. Ary, mety misy vehivavy tonga fotoana, misy fadim-bolana sy manao tanty any ambany aza mba hankany amin’ny pilipitra. Tsy misy na inona na inona ao an-dohanareo! Mbola loza noho ny katolika sy ny silamo ianareo ary mbola mitady ny hitory filazantsara amin’ireny. Raha tsy manaraka tanjona hafa ianareo, dia tsy handeha hipetraka any amin’ny fiangonana tahaka izany. Na ny toriteny izany na ireo hira, dia mitovy ihany. Meloka amin’ny singany dia meloka amin’ny vongany ihany. Dia mihambo ho manana ny Fanahy-Masina izay tsy milaza na inona na inona aminy rizareo nefa ny Baiboly milaza fa rehefa tonga Izy, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny Marina rehetra! Raha tao amin’ny Testamenta Taloha, tamin’ny fisehoany ho Ray, Andriamanitra dia tsy nanokana vehivavy mpisorona ary raha tamin’ny endrika Zanaka, tsy nanokana vehivavy ministra Izy, tsy hitako hoe nahoana Izy no hanao izany amin’ny endrika Fanahy-Masina tahaka ny hoe tsy Tsangan’aina (Personne) iray ihany io. Izay fanahy rehetra manaiky na manokana vehivavy ho amin’ireny toerana (Na: anjara asa) ireny dia tsy Fanahin’Andriamanitra! Ary na iza na iza miaro izany dia manana demony ary tsy mba nahalala na ny Teny na ny Fanahy na oviana na oviana.
Ny vehivavy dia afaka manao ny zavatra rehetra na mandeha irery na miaraka amin’ny maro fa ireny asa manam-pahefana ireny dia natokana ho an’ireo lehilahy irery ihany raha vao eo rizareo. Ny zavatra mitranga any amin’ireo fiangonana dia tena ny endriky ny famotsorana ny vehivavy any amin’ireo tokan-trano, ao amin’ny fitantanana ary ao amin’ny politika izay mifanohitra amin’ny lamina napetrak’Andriamanitra. Misy ireo raim-pianakaviana tsy an-asa nefa, dia mbola misy ireo vehivavy izay mandao ny tokan-tranony sy ny fanabeazana (Na: fampianarana) ireo zanany eo am-pelan-tanan’ny televiziona (Na: fahitalavitra) sy ny mpanampy. Ilay zazakely sady tsy hahazo ny hafanan-dreny na ny rononon-dreny na fampianaran-dreny. Ho lasa ahoana re izany zaza izany e?
Ny loza lehibe indrindra an-drazanak’olombelona dia ny famotsorana an’i Eva ary ankehitriny ihany koa dia ny famotsorana ny vehivavy izany ary nentina nankao am-piangonana io. Taorian’ny Famonjena, dia ny vehivavy no fitahiana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny lehilahy saingy naleony nivavaka taminy ary nanome azy ny toerany mba ho izy (elle) no mandidy (Na: manapaka, mifehy) azy (lui)! Tahaka ny vola mihitsy izay tokony hanompo azy nefa lasa andriamaniny. Ny dokam-barotra na gazety anankiray mampiseho vehivavy mitanjaka dia nataon’ny olona ho mendri-panajana (Na : fiheverana, na fandinihana) be foana hatrizay. Amin’ny lafiny rehetra, hatramin’izay i Satana dia nanosika ny vehivavy hitsiriritra izay tsy nomen’Andriamanitra azy foana toy ny hoe ny miteraka, mijoro vavolombelona tahaka ilay samaritana vavy, manadio ny tempoly, mamafa sezalava (bancs), mifady hanina sy mivavaka tahaka an’i Hana, maminany na miteny amin’ny fiteny tsy fantatra araka ny Joela 2:28 (3:1 amin’ny baiboly malagasy), dia tsy fanaovana ny asan’Andriamanitra. Na i Foiby ao amin’ny Rom. 16:1-2 aza dia noraisina ho mpanompo vavin’Andriamanitra noho ny nanampiany sy nampiantranoany ireo olona masina. Ny fampitandremana rehetra nataon’i Paoly tao amin’ny 1 Kor. 14 :34-38 sy 1 Tim. 2:11-15 dia latsaka an-tsofin’ny marenina avokoa, ireo zanaky ny devoly dia nandika ny hevitr’izany amin’izay itiavany azy mba hatratrarany ireo tanjony. [… Hitanareo? Ary ato amin’ity ministera ity tahaka ny tao amin’ny an’i Jesosy na tao amin’izay ministera tena izy nisy, moa tsy nahita mpanompo vavin’Andriamanitra ve isika? Ireo anabavy Prisca sy Cécile moa ve tsy manampy ahy? Ary tamin’ilay tokony nanaovana tsipaipaika mba ahafahana mamoaka ilay fanontana voalohany an’ity boky ity, moa ve tsy anabavy no nanome fandraisana anjara lehibe indrindra? Ary ho an’ny fanontana faharoa, tsy anabavy ve no ny nametraka teto am-pelan-tanako ilay tontalim-bola nilaina ho an’ny fanontana iray manontolo? Hitanareo? Satria manana fikasana tsara rizareo ary te hanao zavatra, dia Andriamanitra Izao-mihitsy no manome azy ireo ny hanao izany. Hitanareo? Moa ny Baiboly ve tsy miresaka momba an’i Hana, Foiby, Tabita, ry Sosana sy ny hafa? …]. Ny baibolinareo ve milaza ao amin’ny Ohab. 31 fa ny vehivavy tsara dia mpisorona? Indray andro any, hiantoka izany eo anatrehan’Andriamanitra ianareo!
1 Tim. 2:15 milaza fa ny vehivavy dia hovonjena rehefa manambady, miteraka ary manome fanabeazana tsara ho an’ireo zanany. Ny vehivavy rehetra dia hiantoka ny fitondran-tenan’ireo zanany amin’ny andron’ny fitsarana. Andriamanitra dia miantso ny hanabeazana ireo zanany. Ary raha tokony ireo zavatra ireo no eritreretiny, dia ilaozany mitsiriritra ny pilipitra. Rahalahy, famosaviana (Na: mosavy) izany. Ary i Osborn milaza fa afaka manao batisa ny olona ny vehivavy, … Lehilahy tahaka izany, raha tsy mibebaka, dia tsy hanenina amin’ny fahatongavany any amin’ny helo. Ary rehefa mamaky ny Sal. 68:11 rizareo, dia avelany ny andinony faha-12 mba tsy hahafantaran’ireo fanahy tiany hotapahan-tenda hoe miresaka vaovao mahafaly momba ny ady io. Vakio 1 Sam. 18:6-7: dia nivoaka ny vehivavy avy tamin’ny tanànan’ny… Hoy ianareo: “Rahalahy Philippe, mpihira fotsiny rizareo, any aminay!”. Rahalahy, zavatra mitovy ihany izany! Asehoy andalana iray ao amin’ny Baiboly aho hoe ahitana vehivavy napetraka ho mpihira! Vakio Tantara, Ezra sy Nehemia dia miverena amin’Andriamanitra! Vakio 2 Tantara 35 dia ho hitanareo fa ireo mpihira dia levita, zanak’i Asafa araka ny didin’i Davida, sy Asafa, ary ireo mpaminany…
Ary ahoana moa ny vehivavy no afaka mametra-tanana amin’ny olona iray? Mety hoe tonga fadim-bolana izy ary raha izany no miseho, na dia anjely aza dia tsy hahafaka anareo. Indrindra fa mety hitranga izany amin’izao fotoana. Nandà ilay Mesia ireo jiosy saingy ny jiosy iray dia tsy hanaiky vehivavy ho eny amin’ny alitara na oviana na oviana! Manekè fa tsy mivavaka sady tsy manompo an’ilay Andriamanitry ny jiosy izay notompoin’i Paoly ianareo. Ianareo ry zanaka-lahy sy zanaka-vavin’ny devoly, henoy izay nolazain’i Paoly tao aorian’ny fandatsahana ny Fanahy-Masina: “Aoka hangina ny vadinareo (Na: ny vehivavy) raha ao am-piangonana satria tsy avela hiteny izy fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa. Raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny vadiny (Na: ny lahy) raha mby any an-trano, fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy…Raha misy manao azy ho mpaminany na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho ekeny fa ny zavatra izay soratako ho aminareo dia didin'ny Tompo” [1 Kor. 14:34-38]. Hoy i Paoly: “Araka ny lazain'ny lalàna koa!”, hoy izy: “Didin’ny Tompo izany!”… Araka ny lazain’ny lalàna koa! Hitanareo? Raha ireo boky dimin’i Mosesy ihany no nekeny, ireo silamo… tsy misy vehivavy “imam”. Ary ireo vehivavy izay vita fadim-bolana ihany no mankany amin’ny “mosquée” dia te hitory filazantsara aminy ianareo? Mba hametrahan’ireo vehivavinareo izay tonga fadim-bolana, manao tanty ao ambaniny tanana rizareo? Taranak’i Kaina! Ho voaozona anie ianareo! Izany no nametrahan’Andriamanitra tao am-pon-drizareo ny hankahala anareo, ianareo ry zanaky ny fahotana sy ny fahaverezana.
Vakio Asa 2:16 dia ho hitanareo raha tsy efa tanteraka ny Joela 2:28 (Na: Joela 3:1) eto!... Koa inona no tian’i razanak’olombelona ho porofoina amin’Andriamanitra? Hoe ny vehivavy izay raisiny ho kely (Na: akeleziny) dia mahavita zavatra betsaka? Hoe ny vehivavy dia mandaitra sy mahira-tsaina toy ny lehilahy koa? Hoe ny vehivavy iray atao mpisorona, evanjelista, apostoly, pasitera na mpihira dia afaka ny hahomby amin’ny irany hoatra izay lehilahy any? Izany mihitsy! Fa isika, zanak’Andriamanitra, manohitra izany isika tsy hoe fanaovana tsy inon-tsy inona na hoe tsy hahavita izany eo imason’ny olona rizareo vehivavy fa satria Andriamanitra tsy nanome azy ireo ny hanao izany. Vakiontsika ny 1 Tim 2:11-12 tao aorian’ny fandatsahana ny Fanahy-Masina: “…Aoka ny vehivavy hianatra mangingina, ka hanoa tsara; fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy; fa tokony hitoetra ao amin’ny fahanginana izy.”
Ary isaorana anie Andriamanitra fa nanomboka tamin’ny Apostoly Paoly, masindahy Martin, Colomban, Wesley, Luther, William Branham, izay rehetra mpanompo tena izy nirahin’Andriamanitra tety an-tany dia tsy nametraka vehivavy teny amin’ny pilipitra. Hamarino eny rehetra eny ao anatin’ny tantara dia tongava milaza amiko fa nisy lehilahin’Andriamanitra anankiray nametraka vehivavy teo amin’ny pilipitra. Na dia talohan’ny taonjato faha-XVIII aza dia tsy nisy izany tao anatin’ny kristianisma manontolo, na dia ao amin’ny katolisisma aza! Izany dia asan’ny famotsorana sy ireo fiangonana evanjelika. Ary tamin’iny taonjato faha-XX iny, devoly iray ao anatina endrik’olombelona, manana anarana hoe T.L. Osborn no nandeha hatramin’ny hangatahana ny hanaovan’ireo vehivavy batisa ny olona… Na iza na iza nahita an’iny lehilahy iny, dia nahita an’i Satana.
Aorian’ireo teny ireo, ny zanak’Andriamanitra dia tsy mahavita afa-tsy ny mibebaka raha tsy misy demony ao aminy. Satria hitako izao tontolo izao feno fanahy maloto maro ka noho izany mila hery lehibe kokoa hanafahana na dia ireo olom-boafidy aza. Izao tontolo izao dia efa nandray izay horaisintsika amin’ny andron’ny fampakarana, rizareo manana ny fanahy voatafy izay an’ireo anjely nazera. Tena hoatr’ireo adala mihitsy tsy rizareo intsony no miaina, no misaina na mieritreritra fa ilay demony. Ankehitriny rizareo dia gadran’ny fahefana anankiray izay lasa tompon-drizareo. Io dia tahaka ny akanjo rahona mandrakotra an-drizareo. Tsy ny fitadiavana ny hanome fanazavana tsara no izy fa ny hanafaka azy ireo. Tsy afaka mananatra adala ianareo! Hitanareo? Ny finoana sy ny sitrapon’ilay demony tsotra izao no ananan-drizareo. Ny fiangonana tsirairay dia manana demony izay afaka raisina avy amin’ny finoana ny teolojia an’io fiangonana io tsotra fotsiny na avy amin’ny famelan’ny tena hametrahan’ireo manamboninahitra ao tanana. Izany no mahatonga ahy mandrara anareo hamaky ireo boky na ho any na tsy ho any, na dia marina aza izay voasoratra ao! Izao tontolo izao dia eo ambanin’ny fifehezan’ny sikidy izay mampino azy ireo hoe ao amin’ny Fahamarinana rizareo miaraka amin’ny faminaniana maro sy fiteny tsy fantatra maro, fahagagana maro, mba hanatanterahana izay lazain’ny 2 Tes. 2: … Araka ny fiasan’i Satana amin’ny karazana fahagagana sy famantarana ary zava-mahagaga fandaingana rehetra, ary amin’ny famitahana… ho an’izay ho levona (Na: very) satria tsy nandray ny fitiavana ny Fahamarinana mba hovonjena. Ary noho ny amin’izany, Andriamanitra dia mandefa hery mahadiso lalana mba hinoany ny lainga ary mba ho hohelohina rizareo!
Andriamanitra Izao mihitsy araka ny Matio 24:24 no “naniraka” ireo kintana mpanjenjena ireo izay Kacou Séverin, Morris Cerullo, Osborn, Cecil Robeck, Reinhard Bonnké, Benny Hinn sy ny hafa mba hizaha toetra ireo mponin’ny tany! Ahoana moa no ahafahan’ny olona maro, fiangonana maro izay manana fampianarana samy hafa miray ary tsy mahataitra anareo izany! Ianareo ve efa nahita andiam-biby anankiray izay misy ondry maro, omby maro, osy maro, kisoa maro, … dia antsoinareo hoe fifankatiavana izany? Rehefa mandeha any amin’ny firenena anakiray i Osborn, ireo batista, ireo pentekôtista, ireo metodista, ireo “assemblées de dieux”, … dia mifaly (Na: ravoravo)!
Ny pasitera metodista iray ve afaka ny ho pasitera ao amin’ny “foursquare” na any amin’ireo advantista? Ny metodista iray ve afaka mandray fanasan’ny Tompo any amin’ireo batista? Koa inona ary no ataonareo miaraka e? Raha manana ny Fanahy-Masina avokoa ianareo rehetra dia maninona no misy ireny fifanoheran-kevitra ireny? Matio, Marka, Lioka ary Jaona izay manana ny Fanahy-Masina no nanoratra ireo Filazantsara efatra, nifanohitra ve rizareo? Tamin’ny voalohany ny Teny ary ireo zanak’Andriamanitra dia nohariana tamin’ny Teny ka izany no mahatonga azy ireo mahalala azy avy ao amin’ity Hafatra ity, izay teny fikasan’Andriamanitra ho an’ny vanim-potaoan-drizareo. Na dia olona efa-polo ihany aza no nino manerana izao tontolo izao, dia izay izany no natokan’Andriamanitra! Tahaka ny nandavan’ireo katolika ny Fanavaozana, dia toy izany koa no nandavan’ireo branhamista ny Hiakan’ny mamatonalina mba hijanonan-drizareo any amin’ny fotoan’ny hariva ka hiraisany lalana amin’ireo vehivavy janga. Nialohan’ny nidinan’ilay Anjely sy ilay Zanak’ondry tao anatin’ilay fahitana tamin’ny 1993, dia nisy fanakona-masoandro, ary nahita zavatra kiboribory mainty teo amin’ny toeran’ny masoandro tsara mihitsy aho. Ary avy any an-danitra no nihaviany-drizareo ary nazava ny tany… ary afaka miteny amin’ny fomba mazava aho fa tapitra tamin’ny 1993 ny fotoan’ny hariva.
Araka ny Apok. 4:7, dia ao amin’ny vanim-potoan’ilay zava-manan’aina fahefatra isika, ilay voromahery izay tsy maintsy miainga ambonin’ny fahadisoana rehetra, teolojia rehetra, fanahin’ny famitahana rehetra ary ny Baiboly milaza fa ireo voromahery amin’io vanim-potoana io dia hiangona manodidina ny Teny vaovao tsara. Any amin’izay misy ny Teny madio (Na: tsy misy fangarony), any no hiangonan’ireo olom-boafidy, dia ireo zanak’Andriamanitra araka ny Matio 24:28. Amen! Ireo goaika, ireo mpihinam-paty efa maimbo (lo sady efa sisasisa), ireo voltora, ireo antokom-borona mpiremby, … tsy manidina ambony ary noho izany izay rehetra hitany dia mety aminy. Ny mahaliana an-drizareo, dia zavatra afaka mamoky azy ireo. Na batisa amin’ny anaran’i Jesosy-Kristy na ara-telo izay iray io, vehivavy mpitoriteny na mpihira io, … dia mifandrombaka ireo zavatra lo (Na: drodroka) an’ny teolojia sy izay efa nilaozan’ny voromahery rizareo.
Taorian’ny 24 aprily 1993, tao anatina fahitana, nipetraka tao amina efitra fanaovam-panadinana bakalorea izahay ary nizara ny laza adina ny mpanadina. Hoy aho anakampo: " Fa inona no ataoko ato nefa izaho tsy mba nandalo kilasy second cycle [Ny 2nd cycle eto: kilasy faha-10, kilasy faha-11 ary kilasy famaranana] ary inona no handeha hosoratako ato?". Nony afaka kelikely dia nisy nilaza tamiko: “Tahaka an’i Maria izay nitoe-jaza tamin’ny fomba mahagaga, nefa tsy nahalala lahy, tahaka an’i Mosesy nandray ny fahalalana izay rehetra nitranga tamin’ny fahariana,… dia nandray ny tenin’ny Fiainana mandrakizay ianao ny 24 aprily 1993 ary voatendrin’Andriamanitra izany. Amin’ny fotoana voatendry, hahazo sy hampianatra izay tsy nianaranao ianao mba hanana ny Fiainana Mandrakizay izay rehetra mino”, izany no “Izao no lazain’i Jehovah Tompo” izay an’ilay mpaminany. Izaho tsy mbola nandray anjara tamin’ny seminera na fampianarana ara-baiboly na oviana na oviana, izaho tsy mamaky ireo bokin’ny fivarotam-boky kristiana izay anareo fa nahazo ny fahalalana ireo Soratra Masina aho… Ny olana tokana dia izaho tsy manana fari-pahaizana tsara. Ary izaho koa aza mino fa ity asa ity dia avy amin’Andriamanitra ka izany no mahatonga hoe isika afaka mahita mpianatra, olona manam-pahaizana, mpitoriteny sy pasiteram-piangonana taloha mipetraka eto, … ary indray andro any, raha arovan’Andriamanitra amin’ireo dragona aho, dia hahita olona “magistrats” (andrimabaventy, mpitsara, mpanapaka) isan-karazany maro miaraka aminareo eo ianareo satria eo anivony ihany koa dia misy olom-boafidy maro…
Ny Baiboly milaza ao amin’ny Apok. 12:14 fa ny elatra roa an’ny Voromahery lehibe dia homena ireo voromahery kely mba hitondra azy ireo lavitra ny tavan’ilay menarana (Na: bibilava) ary isika mahita ny fampahoriana izay manomboka ao amin’ny andinony manaraka [15]. Amin’io fotoana io ihany koa, dia mampiseho ny tenany ny devoly ho ilay bibilava ao amin’ilay andinony teo iny ihany, ilay fanahin’ny sikidy, ary ireo fiangonana dia feno izany.
Na iza na iza mitsipaka ny Toritenin’ny Matio 25:6 dia tsy afaka mandray afa-tsy ny fanahin’ny sikidy ho fanahy-masina izy! Efa nasehoko anareo indray Jesosy-Kristy izay homboanareo amin’izao fotoana izao. Ary izay rehetra ataonareo amin’izao fotoana izao dia midika hoe: “Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay”. Hisy hery manintona eo.
Eny ary, ny fiteny hoe “mandehana mba hitsena azy” dia tsy marina satria ilay Hiaka sy ny Mpampakatra dia iray ihany. Izany no mahatonga ilay Hiaka manao hoe “indro” fa tsy hoe “io”! Amin’izao andro izao, tsy manana dikanteny Louis Segond, King James, Ostervald, Semeur, Colombe intsony isika, … efa nodorana ireny. Tadidionareo fa tao anatin’ilay fahitana faharoa, teo amin’ny tany hay (Na: tanàna haolo) aho ary nidina avy teny amin’ny lanitra ny Teny, tambonin’ny rahon’ny lanitra izay ireo anjely, tahaka ny tamin’ny andron’i Mosesy tany an’efitra… Raha zanak’Andriamanitra ianareo na raha manana ny Fanahy-Masina, dia tsy afaka ny hitoetra lavitra izany ianareo satria ny Baiboly milaza fa any amin’izay misy ny Teny, any no hiangonan’ireo voromahery.
Ianareo rahalahy! Aty Afrika, any Eoropa, any Asia na any Amerika; ianareo angamba niandry ilay mpitondra hafatry ny Matio 25:6 tany amin’ny firenenareo saingy nataon’Andriamanitra tamin’ny fomba hafa izany. Tadidionareo ny Tompontsika! Amin’ny maha-mpisoronabe Melkizedeka azy, dia ireo mpampianatra soratra masina sy ireo mpanora-dalàna nahita fa tokony hivoaka avy ao amin’ny firenen’i Levy Izy. Saingy avy tao amin’ny firenen’i Joda Izy. Avy eo, ny Hafany sy ireo asany no nanambara fa Izy tokoa no izy.
miverina any amin’ny lisitra