Momba ny tsy fetezana ho diso, hoy aho hoe toy ny tombo-kase no tokony hijerena izany, heverina toy ny fitomboka na kase ; izany hoe nialohan’ny nidiran’ilay mpaminany an-tsehatra, dia nasian’Andriamanitra famantarana teo aminy, nasiany soratra hoe : « tsy mety diso ». Ka na inona na inona hoataony na holazainy, dia tsy mety diso izy. Ary avelan’Andriamanitra hisy zavatra hitranga mba hampisarahana ny tsimparifary amin’ny vary nefa tsy mahakasika velively ny tsy fetezana ho dison’ilay mpaminany izany. Hitanareo? Izay no izy ary izany no mahatonga ny Baiboly tsy mba mitatitra na inona na inona momba ny fiainan’ny mpaminany anankiray. Ny Baiboly milaza fa ny i anona mpanjaka dia nanao izay ratsy na tsara teo imason’i Jehovah fa ahoana no ahafahana miteny fa tsy nandeha nahitsy teo imason’Andriamanitra ny mpaminany anankiray? Hitanareo?
… Nisy olona nanontany ahy raha tokony efa andrasana amin’izay ilay mpitondra hafatry ny fiambenana fahefatra. Tsy fantatro fa tadidio fotsiny hoe raha ela fihavy ny Tompo, tsy hiandry folo taona aoriako akory dia efa hisy mpaminany iray hafa. Mitaky izany ny fahatanterahana. Rehefa amin’ny maneno akoho, hisy isamaelita maro izay hiditra ao amin’ny kristianisma toy ny mpaminany na iraka, ary ireo zavatra ireo no tena hanambara ilay tena zavatra. Ary koa, tamin’ny nitory momba ny mysterin’ny tsy fetezana ho diso aho, maro ireo niteny hoe: « Ô! Hanao izao na izao ny mpaminany! ». Ny sasany indray: « Ô! Hanomanana ny lalan’ilay ho avy aoriany izany satria ny silamo manambady vehivavy maro». Fantaro fa tsy mahalala na inona na inona mitovy aminareo koa aho. Andriamanitra irery no mahalala izany! [Hoy ny fiangonana: Amen!]
Ankehitriny, efa manomboka mirona any amin’ny tena faran’ny Hafatra aho nefa mbola mino ny fitohizan’ny ministera kosa. Mankalaza an’Andriamanitra aho noho ny amin’ireo rahalahy sy anabavy maro izay tsy nitsahatra nanampy sy nanohana ahy. Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny amin’ireo pasitera sy mpitoriteny maro ato amin’ity Hafatra ity. Ary koa, nangataka aho ny amin’ny hanomezana ny Baiboliko an’ny iray amin’izy ireo indray andro any, izany hoe an’i rahalahy Bitty raha izaho no hialoha lalana azy ho amin’ny voninahitra. Ary ny fivavako dia ny hiarahan’ilay anjely izay nitarika ahy mba tsy ho diso amin’ny fanoroan-kevitra, amin’ny atao na amin’ny Teny aminy amin’ny zavatra rehetra ataony. Ary tsy ireo mpitoriteny ihany fa mba hotahin’Andriamanitra koa ny vadiko, ireo zanako-vavy anankiroa, ranabavy Coulibaly Sarah ary ireo vahoaka maro be tamin’ny 24 aprily 1993 izay efa nasehon’ny Teny ankehitriny. [Hoy ny fiangonana: Amen!].
Handeha ary horaisintsika ny Baibolintsika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly toko faha-9 ary hovakiantsika ny andinony dimy voalohany. Hovakiako izany! Ny mpitoriteny na mpitoriteny anankiray no tsy maintsy mamaky ny lahatsoratra fototra. Hitanareo? [Mamaky ny Asa 9:1-5 i rahalahy Philippe: « Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy ka nangataka taratasy taminy hoalefa amin'ireo synagoga any Damaskosy, mba, ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany lalana [Na: fampianarana] izany, na lahy na vavy. Ary, raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary tampoka teo dia nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra manodidina azy. Dia lavo tamin'ny tany izy, ka nandre feo nanao taminy hœ: Saoly! Saoly! Nahoana ianao no manenjika Ahy? Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? »]
Hitanareo? Inty no niandohan’ny kristianisma ary tsy afaka ny tsy hitovy amin’ny fiandohan’ny fivavahana jiosy velively izany. Mosesy etsy an-kilany! Paoly kosa ety an-daniny! Ilay anjelin’ny roimemy nirehitra afo izay Andriamanitra Izy Tenany ary ety an-daniny, ilay anjely teo amin’ny lalana mankany Damaskosy izay Jesosy-Kristy, Andriamanitra Izy Tenany. Hitanareo?
Nifanena tamin’ny mahatalanjona (Na: mihoatra ny efan’ny zava-boahary) i Mosesy ary hitany fa tsy nety levona ilay roimemy. Ary niteny tamin’ilay anjely izay naniraka azy izy hoe: Iza moa ianao mba hilazako izany amin’ny jiosy rehefa manontany ahy izy ireo? Hitanareo? Hoy Mosesy: Marina fa mahatalanjona tokoa Andriamanitra ary tsy mba asan’olombelona izao roimemy mirehitra afo izao fa iza moa ianao? Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: « … Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo». Izay nitranga teo, tany am-piandohan’ny fivavahana jiosy, dia famantarana ho an’ireo jiosy rehetra ary i Paoly izay tena zanaky ny jodaisma tokoa dia tsy afaka ny tsy ampihatra izany. Hitanareo? Nandroso am-pahatokiana nankany Damaskosy i Paoly ary tampoka teo, nisy mazava avy tany an-danitra. Io hazavana io dia mahery lavitra noho ireo hosotra katolika, protestanta, evanjelika ary branhamista rehetra atambatra. Ary nanjera an’i Paoly io hazavana io satria tamin’io fotoana io izy dia mbola fahavalon’i Kristy. Io hazavana io dia tsy mba mety hampianjera olona mahonena izay mitady ny famindram-pon’Andriamanitra (Na: Fahasoavany) velively. Hitanareo? Izay hosotra mampianjera olona mahonena mitady fanasitranana na fanafahana dia avy amin’ny devoly! [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Teo anoloan’ny fahavalo na mpanohitra an’Andriamanitra, nantsoina ny afo! Teo anoloan’i Sodoma sy Gomora, nantsoina ny afo! Teo anoloan’ny dimam-polon’i Ahazia, nantsoina ny afo! Fa na iza na iza miantso ny afo hidina amin’ny (Na: handevona) olona mahonena mitady fanasitranana na fanafahana dia demony tonga nofo izy! [Hoy ny fiangonana: Amen!]…
Inona no nataon’i Mosesy nanoloan’io fanambarana lehibe io? Nanontaniany ilay feo niteny taminy hoe: Iza moa ianao Tompoko? Amen! Ary teo amin’ny lalana mankany Damaskosy, rehefa nitaratra ilay Mazava, dia lavo i Paoly. Lasa avokoa ny heriny, safotra izy. Hitany fa izay no fahaperan’ny fiainany! Tazany ny fahafatesana fa rehefa nahatsiaro tena izay, inona no nitranga? Niteny ve izy hoe: Mihoatra ny efan’ny zava-boahary loatra izao, noho izany avy amin’Andriamanitra? Tsia! Niteny ve izy hoe: Angamba ilay Andriamanitra izay nidina teo amin’ny tendrombohitra Sinay izao! Hitanareo? Fa napetrany ilay fanontaniana efa ela sy fara-tampony fametrak’i Mosesy sy ny razany hatrizay. Hoy i Paoly: Hitako ny voninahitrao lehibe, hitako ny herinao lehibe izay nandavo ahy, henoko ny feonao tahaka ny kotrokorana, … FA IZA MOA IANAO? [Hoy ny fiangonana: Amen!]. … Marina fa resinao aho fa iza moa ianao? Hitanareo? Fa iza ianao tompoko? Inty no fanontaniana izay adinon’i razanak’olombelona. Matoa misy mpaminany tsy toko tsy forohana ankehitriny, satria adinon’i razanak’olombelona io. Jereo maneran-tany, firy ny jiosy voafitak’i Osborn, Billy Graham, Morris Cerullo na Yongi Cho? Tsy misy, satria tsy taitra amin’ireo rizareo. Hitanareo? Matoa misy ambasadin’ny Isiraely aty amin’ny tanintsika, dia satria misy Jiosy aty fa firy amin’izy ireo moa no any am-piangonantsika? Tsy misy! Hitanareo? Raha mampianjera tena jiosy anankiray i Benny Hinn, dia hiteny aminy io jiosy io hoe: Hitako fa olona mahery ianao fa iza moa ianao? [Hoy ny fiangonana: Amen!]
Jereo ny tantaran’i Jaona Mpanao-batisa ao amin’ny… Hovakiako ny Jaona 1:19-23: « Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy levita avy tany Jerosalema hankany aminy, mba hanontany azy hœ: Iza moa ianao? Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy. Ary izy ireo nanontany azy hœ: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hœ: Tsia. Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao, mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay? Lazainao ho iza moa ny tenanao? Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra. ». [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Hitanareo? Rehefa nandre izay rehetra nataon’i Jaona ny Jiosy, inona no nantaon’izy ireo? Naniraka ireo mpisorona sy levita ireo ve rizareo mba hizaha raha toy izany tokoa ny zavatra reny? Tsia! Naniraka ireo mpisorona sy levita ireo ve rizareo mba hizaha ny firoborobon’ny ministerany na ireo fiovam-po maro sy izay akanjo nanaovany? Tsia! Naniraka ireo mpisorona sy levita ireo ve rizareo mba hitady fiaraha-miasa na hitady ny hidiran’i Jaona Mpanao-batisa ao anatin’ny vondrom-piangonana? Tsia! Hitanareo? Naniraka ireo mpisorona sy levita ireo ve rizareo mba hizaha raha i Jaona… Fa ny Baiboly dia milaza fa naniraka ireo mpisorona sy levita ny Jiosy mba hanontany an’i Jaona hoe iza izy? [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Hoy i Jaona: Tsy izaho no Kristy! Dia hoy ireo taminy: Ekena izany fa iza moa ianao? Dia hoy izy: Tsy i anona na anona aho fa hoy ireo taminy: Ekena izany fa iza tokoa moa ianao? Lazao aminay hoe iza ianao! Hitanareo? Na dia nilaza taminy aza i Jaona hoe: « Manana mpino telo arivo aho ety, manana fiangonana isa-tanàna, manana fiangonana any France, any Belgique, any… Izao sy izao avy no fahagagana nataoko,… manana traikefa roa-polo taona aho,… » Ireo jiosy ireo dia tsy ho taitra amin’izany! Ny mahaliana azy ireo, dia ny hoe iza izy! [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Moa va tsy milaza ny Baiboly fa amin’ny fotoana toy izao, eto amin’ity toerana ity, hisy lehilahy hanao tahaka ny ataonao eto izao hoatr’izay niseho tamin’ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly? [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Hitanareo? Na dia teo aza ny fahaverezany, na dia voalaza aza ao amin’ny Jaona 8:44 fa zanaky ny devoly izy ireo, dia farafaharatsiny izareo nanam-pahendrena nanontany an’i Jaona hoe iza izy satria mikoriana ao anatin-drizareo ny ra jiosy. [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Ataovy izay tianareo eo anoloan’ny jiosy iray, manàna laza, manangàna ny maty, manàna izao tontolo izao aorianareo,… hoanontaniany ianareo hoe: FA IZA MOA IANAREO? [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Satria izay no adinon’i razanak’olombelona, izay no mahatonga antsika manana mpaminanin’ny firenena (Na: jentilisa) aman-jatony ankehitriny. Na dia midina ao amin’ny roimemy mirehitra afo aza ianareo, tahaka an’i Mosesy, dia izay jiosy na zanak’Andriamanitra rehetra, na kely na lehibe, hanontany anareo hoe iza moa ianareo! Mampienjerà jiosy anankiray amin’ny alim-bavaka, izy mbola eo amin’ny tany tahaka an’i Paoly iny, hiteny aminareo hoe: « Fa iza ianao tompoko? ». Fa ny zanaky ny devoly hanao hoe: « Ô! Jereo anie fa mahery izy e! »… Na dia anjely aza no midina, mitovy ihany! Hitanareo? Ao amin’ny Lioka 1, nisy lehilahy nilaza zavatra hafahafa tamin’i Zakaria. Ary Zakaria tsy nahalala hoe anjely iny. Raha tonga dia nanontany izy hoe iza ianao tamin’iny lehilahy iny, tsy mba lasa moana izy! Hitanareo? Tsy filaminana ho an’ny mpisorona tahaka azy izany.
Handeha hovakiantsika izany ao amin’ny Lioka 1:19 « Ary ilay anjely, namaly, ka nanao taminy hœ: Izaho, Gabriela aho, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra, ary nirahina hiteny aminao ... ». Tsy tokony nijery ny fahanteran’ny vadiny akory i Zakaria fa tokony niteny tamin’ilay lehilahy hoe: « Hafahafa izany lazainao amiko izany! Tsy mahalaza zavatra tahaka izany raha olombelona, iza moa ianao? » Fa raha tokony ho izany, ialaozany miresaka momba ny fahanterany, izy izay jiosy sady mbola mpisorona rahateo. Nahatonga an’i Gabriela namaly ilay fanontaniana milaza hoe: « Gabriela aho izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra ». Raha nanontany izany i Zakaria, tsy mba lasa moana izany! Hitanareo? Vakio manontolo ny Baiboly dia hohitanareo fa izany no izy. Tamin’ny nanirahan’i Jaona Mpanao-batisa izao mihitsy ny mpianany ho any amin’i Jesosy, dia tsy ny hizahana raha tena araka izay reny tokoa ireo fahagagana; fa izao ilay fanontaniana: IZA MOA IANAO? Ianao tokoa va no Kristy? Hitanareo?
Ary i Jesosy izao mihitsy aza tao amin’ny Matio 16, nahita ireo mpianany, dia nitsetra azy ireo. Nanaraka azy ny olona satria miresaka momba an’Andriamanitra izy, momba an’i Mosesy, momba ny lalàna sy ny mpaminany; manasitrana ireo marary izy, manangana ny maty… fa tsy nisy tamin’ireo mpianany sahy nanontany azy hoe iza izy. Amin-drizareo izy dia tena lehilahin’Andriamanitra, dia izay! Ary indray andro izay, Jesosy izao mihitsy no nametraka ilay fanontaniana teo amin’ny toeran-drizareo. Handeha hovakiako izany ao amin’ny Matio 16:13-14: « Ary, rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-Filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy, ka nanao hœ: Ataon'ny olona ho iza moa Aho, izaho, ilay Zanak’olona? Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia na anankiray amin'ny mpaminany. Ary hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza? » [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Hitanareo? Tsy fantany akory hoe manaraka an’iza izy! Ny zava-dehibe aminy dia ny hoe miresaka momba an’i Mosesy sy ny mpaminany aminy i Jesosy. Izany no adinon’i razanak’olombelona ankehitriny. Hitanareo? Raha hitanareo fa mihoatra ny efan’ny zava-boahary i T. L. Osborn, Yongi Cho, Benny Hinn, Ewald Frank, Morris Cerullo na Reinhard Bonnké, dia takian’ny lojika ara-baiboly ny hanontaniana azy ireo hoe: « Fa iza ianao, tompoko? Ambaran’ny Baiboly ve fa hanao izao ataonao ankehitriny izao ianao? Nambaran’ny Baiboly mialoha tahaka an’i Jaona Mpanao-batisa ve ianao? Milaza ve ny Baiboly fa amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia hisy lehilahy hitsangana amin’ity taranaka ity mba hanao izao ataonao ankehitriny izao? ANDRIAMANITRA ve niantso sy naniraka anao tahaka an’i Mosesy, Paoly na ny anankiray amin’ireo mpaminany?... Hitanay avokoa ireo fahagagana nataonao, ireo hosotrao, ireo fahalalanao fa iza moa ianao? Lazao aminay hoe iza ianao !... ». [Hoy ny fiangonana: Amen!]. Fa iza ianao tompoko? Iza moa ianao tompoko? Ianao, ry Benoit XVI,… Ianareo, ry filoham-piangonana,… Ianareo, ry “révérends”, “Bishop”,… Ianareo, ry mpaminany misy hosotra,… Ianareo izay manangana fiangonana maro, asa-misionera sy ministera, iza moa ianareo? Ianareo izay manao akanjo lava sady voloina, ianareo izay mamerovero manitra erỳ eo anatrehan’ny olona fa maimbo tahaka ilay osy voloina ao amin’ny Daniela 8 eo anatrehan’Andriamanitra, iza moa ianareo? Ianareo izay manana peta-drindrina sy sary mandrakotra ny rindrina tahaka ny sitry (Na: androngo) maro, iza moa ianareo? FA IZA IANAREO TOMPOKO? Valio ry andriamatoa ô! Iza moa ianareo?
Ambarao aminay hoe iza ianao ahafahanay milaza izany amin’izay hanontany izany anay. Ianao va no Matio 25:6 tonga nofo? Ianao va no Kristy? Ianao va no Ilay Mpaminany? Ianao va no fahazavan’izao tontolo izao? Ianao va no manana ny fanalahidin’ilay fanjakana ankehitriny?... Fa mba iza ary ianao tompoko? Lazao anay hoe iza ianao?... Andriamanitra ô! Misaotra indrindra ary ho Anao anie ny voninahitra mandrakizay [Hoy ny fiangonana: Amen!].
Handeha hitsangana ao anaty fanahy mivavaka isika… Raha izay ianareo vao tonga eto voaloha na faharoa na fahatelo mihitsy aza ary mbola tsy nanaiky ity Hafatra ity ianareo, atsangano fotsiny ny tananareo mba hilazana fa mandray Azy ianareo izao ankehitriny izao!...
Ary anio hariva, rahefa avy nihaino ity toriteny ity ianareo ka inoanareo fa izaho ilay mpaminany izay tonga ho an’ny taranaka misy antsika araka ny Matio 25:6, dia atsangano ny tanana ka angataho izay tianareo avy amin’izany finoana izany! […]
miverina any amin’ny lisitra