Fantatsika fa araka ny Matio 24:27 ny Filazantsara dia nivoaka avy tany Asia, Ny Atsinana niaraka tamin’ny Paoly sy ireo apostoly hafa. Ny lokon’ny masoandro vao miposaka dia mavo ary ny mponina any Asia, ohatra ny sinoa, dia mavo fihodirana. Avy eo ny masoandro, ny Filazantsara dia tonga tany Eoropa any amin’izay mahatonga ny masoandro ho fotsy. Nisy lehilahin’Andriamanitra kalazalahy tany tahaka an’i Martin de Tours, Irénée, Colomban. Ary eto, fantatsika fa ireo izay miaina any Eoropa dia fotsy fihodirana. Avy eo ny masoandro dia nidina niankandrefana niaraka tamin’i John Wesley tany Angleterre mandra-pahatongany any Andrefana izany hoe any Amerika. Ny hariva amin’ny filentehany, ny masoandro dia tonga ho mena ary ny mponina voalohany tany Amerika dia mena fihodirana. Dia nisy an’i William Branham niaraka tamin’ny Hazavan’ny hariva. Ary i William Branham dia nampiseho fa nanana ra indiana izy avy amin’ny renibeny. Ary i Ewald Frank, izay fotsy hoditra dia miresaka momba ny Hiakan’ny mamatonalina. Nefa fantatsika fa aorian’ny fotoan’ny hariva dia ny alina, ireo mainty hoditra, Afrika mialohan’ny hankanesany indray any Atsinanana miaraka amin’ireo vavolombelona roa an’ny Apok. 11. Na eo amin’ny lafiny ara-nofo aza, mahita ireo mainty hoditra eny amin’ireo “élites” (Na: tsongaina, tsara indrindra) an’izao tontolo izao isika. Ary sambany vao nisy, mahita mainty hoditra filohan’ny ONU isika. Ary nandritra ireo folo taona farany, nahita ireo amerikana mainty hoditra liana amin’i Afrika isika ary ao mihitsy aza ireo izay mitady ny foko tena nihaviany. Eo am-pamangiana an’i Afrika, Andriamanitra dia hahatsiaro ireo zanak’i Toussaint Louverture, i Wilberforce, i Martin Luther King sy maro hafa.
Tamin’i Frederik de Klerc, izay fotsy hoditra sy Nelson Mandela izay mainty hoditra, nifandray tanana teo anoloan’ny fiombonambe iraisam-pirenena tamin’ny 1993 izay niara-nandraisan’izy roalahy ny “prix Nobel de la paix”, dia fiafaran’ny “Apartheid” sy vanim-potoana iray izany. Famantarana kely izay nanafina lafiny ara-panahy zava-dehibe iny.
Ary araka ny Matio 25:6, amin’ny mamatonalina dia hisy hiaka haneno, toriteny fohy izay hanaitra sy hampifoha ireo virjina an’ny fiambenana fito. Ary io fifohazana io hitondra ny Ampakarana ho amin’ny Fampakarana. Hamangy an’i Afrika i Jesosy-Kristy. Hamirapiratra ny volana sy ireo kintana. Ho tanteraka ny Isaia 30. Ary mpaminany maro no miara-manaiky ny hilazana fa hisy fifohazana hiainga avy aty Côte d’Ivoire. Nefa ho an’ireo tso-po sy fanahy, ho an’ireo izay miandry ny fampakarana ny olona masina, tsy mba faminaniana intsony ity fa efa zavatra iainana. Ary rehefa miasa Andriamanitra dia mandray anjara hahasoa avokoa ny tranga rehetra. Fa maninona no io krizy io, io fikisahana niainga avy tany Abidjan io? Fa inona io hery manintona io? Jereo tsara fa ao amin’ny Lioka 2:1-7, ny emperora Aogosto Kaisara dia nandidy ny hodian’ny tsirairay avy any amin’ny tany nihaviany mba hanoratana ny anarany. Fa nahoana? Na izy aza tsy nahalala nefa ny mba hahaterahan’i Jesosy any Betlehema sy tsy hampifanjevo ireo faminaniana izany. Isika dia naheno, isika dia tonga mba hahita ary isika dia nahita avy amin’ny Soratra Masina fa io mpitoriteny io dia ilay nampanantenana antsika ao amin’ny Matio 25:6 sy tokony hoarahintsika…
… Ny Hiakan’ny mamatonalina dia mitana fototra ara-baiboly midadasika be saingy amin’izao teboka nahatongavantsika izao, ho an’ny olom-boafidin’Andriamanitra iray, dia tonga ho famenon’izay efa fantany ihany izany. Mandra-pisinton’ireo zanaky ny devoly ny kofehy miaraka amin’ireo famotopotorana (Na: fiheverana) mifanarakaraka, ireo olom-boafidy efa mifehy ny zava-misy. Te hilaza izao aho, tahaka ireo taranaka hafa: Andriamanitra dia nahatsiaro ireo taranak’i Simona avy any Kyrena. Ireo izay tsy mba nanjanaka na nanjakazaka dia nandray ny fahasoavan’Ilay tsy mba mizaha tavan’olona ary izao tontolo izao dia tokony manaiky izany!
Handeha horaisintsika ny Baiboly ao amin’ny… omeko andinon-tsoratra masina maro ianareo izay hovakianareo milamina tsara any an-trano, tsy dia manam-potoana mantsy isika anio maraina. Raiso ny Ezekiela toko faha-29 ka hatramin’ny faha-32 avy eo Isaia toko faha-18 ka hatramin’ny faha-20 avy eo Jeremia 46. Ireto koa Ezekiela 21:1-5 avy eo Hosea toko faha-7 ka hatramin’ny faha-12, ets.
Ireo faminaniana rehetra ireo dia mikasika an’i Afrika izay naseho an-ohatra avy amin’i Egypta, Etiopia ary Libya. Vakiontsika anie ny Isaia 19:23-25 e… Fa hotahin’i Jehovah (Na: Ilay Mandrakizay) ireo ka hataony hoe: “Hotahina anie Egypta oloko… ary Isiraely lovako.” Nefa fantatsika fa ny Egypta resahin’ny Baiboly eto dia tsy ilay tanana silamo izay fantatsika fa Afrika manontolo mihitsy. Jereo ny and. 2! “Hoampirisihiko hiady amin’ny egyptiana ny egyptiana ka samy hiady… ny tanàna hiady amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana!” Hitanareo? Hitantsika ny fanandevozana, ny fivarotana ireo mainty hoditra ao amin’ny Isaia 20:4 “na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarona maoja ho henatr'i… Afrika.” Mbola talohan’ny taonjato faha-XV mihitsy aza, dia efa nisy fandefasana afrikana ho babo nakany Irak (dia Babylonia izay ahitana an’i Asyria ao anatiny) raha ny marina kokoa dia tany Basra tamin’ny taonjato faha-IX. Fantaro fa fony Andriamanitra niteny tamin’izany andro izany, dia tsy mbola nisy Burkina, na Zimbabwe, na Kenya, na Afrika atsimo,… Avy eo nisy fifindra-monina ary fantatsika hoe ahoana no nanehoan’i Kwamé Nkrumah* fa ny Ashanti dia avy any Egypta avy eo koa ny filoha Bédié dia naneho fa ny Akan dia avy any Egypta avy amin’ny alalan’i Ghana an’ny Ashanti. Ary afaka hitantsika any amin’ireo Akan, izay fokon’i Houphouët, ny maha-mpanjaka araka ny môdely egyptiana miaraka amin’ny seza fiandrianana, haingo volamena, rova, satro-boninahitry ny mpanjaka, tehim-panjakana, … pyramida ambaratonga efatra any amin’ny mpanjakan’ireo “Indénié” ary pyramida ambaratonga roa any amin’i nana Yéboua, mpanjakan’ireo “Abron”. Ny “Akan” dia tena solofon’i Egypta ary ao anatin’ny “Akan” dia misy foko maro ka anisan’izany ny “Abidji”, tena vitsy kely ary ny fitambarany dia miisa tanàna roa ambin’ny folo tahaka ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely. Ny foko “Abidji” dia mitovy amin’ny “Ashanti” ka mihoatra ny hatrany amin’ny fitovian’ny anaran’ny olona mihitsy aza. Ary ny iray amin’ireo tanàna roa ambin’ny folo ireo aza dia misy ilay toeram-pianarana teolojika malaza an’ny “assemblée de dieux” ary io tanàna kely io, dia Katadji tanànako ary misy taranaka fito taona miisa fito ao. Ny “dipri” (karazana fomba sy sikidy) an’ny “Abidji” dia voaresaka ao amin’ny 1 Mpanjaka 18:28-29. Ary izaho dia teraka tamin’ny vanim-potoana izay nihiran’ireo anjely tao Katadji indray maraina izay ary izany dia fantatry ny olona any. Ary ny fanamarinam-piterahako mampiseho hoe amin’ny 6ora maraina. Misy branhamista milaza fa tany Sikensi izany no nitranga nefa ireo vavolombelona an’i Katadji manome fanoritana momba ilay hira izay niainga avy teo amin’ny faritray ka nankany amin’ny faritra ambanin’ny tanàna ary niverina avy any fa ireo tanàna manodidina kosa anisan’izany Elibou sy Sikensi, izay telo km miala amin’i Katadji dia tsy naheno afa-tsy hiran-danitra fotsiny ihany. Ary izaho mino fa tsy misy ifandraisany amin’ny fahatongavan’ny Hafatry ny hariva tany Côte d’Ivoire araka ny lazain’ny sasany izany. Afa-tsy hoe nitranga tany amin’ny tanàna hafa koa izany tamin’ny nahatongavan’ny Hafatry ny hariva tany. Izaho koa tsy mino ny fitantaran’ny “assemblées de dieux” izay manohana fa hoe noho fisian’ny toeram-pampianarana teolojika an-drizareo any Katadji izany satria io toeram-pampianarana io dia efa nisy tany nandritra ny taona maro talohan’io tranga saro-pantarina io. Ankehitriny, diniho tsara fa tamin’ny andro nahaterahako, dia tany Elibou ny ray aman-dreniko, izay vita dia an-tongotra adiny iray. Ary tany no nahitako masoandro teo amin’ny tamin’ny enina ora teo. Teo no ho eo ihany, dia nody tany Katadji izahay. Inona moa ny dikan’ny hoe Elibou? Tanànan’i Elia. Miantsoa izay “Abidji” hitanareo eny, ka raha miteny zavatra hafa aminareo izy dia mpaminany sandoka aho izany. Hitanareo? Tanànan’i Elia! Hisy lehilahy izay itoeran’ny Fanahin’i Elia ho teraka ao dia iray faritra amin’i Sikensi.
Eny ary, vakiontsika ny Ezekiela 29:12 sy 30:26… haeliko any amin’ny firenena samy hafa ny Egyptiana… any amin’ny tany samy hafa. Ô! Diniho ny Matio 27:25 “… aoka ny ràny ho aminay mbamin’ny zanakay” ary tamin’ny taona 70, namono ireo jiosy tany Jerosalema ny tafika romana izay notarihin’ny jeneraly Titus, izany no fahatanterahan’ny hoe: “… ho aminay” ary 1900 taona taty aoriana, ny jiosy dia novonoina teny rehetra teny maneran-tany indrindrindrindra tany Allemagne tamin’ny alalan’i Adolf Hitler, tany URSS tamin’ny alalan’i Joseph Staline, tany Italie tamin’ny alalan’i Benito Mussolini, tany Pologne,… dia ireo tandroka folon’ny Apok. 17:13 izay manana tanjona itoviany amin’ny fiangonana katolika. Tahaka ny namonoan’ny fiangonana katolika ireo protestanta aman-tapitrisany, dia toy izany koa no nitsanganan’ireo firenena folo hamononoana ireo jiosy! Izany no fahatanterahan’ny hoe: “… mbamin’ny zanakay.” Ary hitantsika fa ireo zanaka ireo dia tsy tany Isiraely. Tany amin’izay rehetra nalehan-drizareo, dia nanaraka azy ireo io teny io ka mitovy amin’izany ihany ankehitriny! Tany am-piandohana, Andriamanitra dia nifandraharaha tamin’ilay vahoaka nijaly indrindra tety an-tany, amin’ny farany, Andriamanitra dia mifandraharaha amin’ilay firenena mijaly indrindra ety an-tany… Izany no mahatonga ahy mihevitra fa tsy afaka ny hisolo tena (Na: ho mpitondra fanilon’ny) firenena anankiray hafa ny lehilahy anankiray na dia mipetraka any aza izy.
Andriamanitra tsy afaka nampiasa Egyptiana mba hitondra ny Isiraely hivoaka an’i Egypta na mainty hoditra mba hamangiana ireo fotsy hoditra. Toy izany no fiasan’Andriamanitra. Tsy hoe tsy mendrika izany ny mainty hoditra. Ary Andriamanitra tsy namela an’i William Branham hankany amin’ny Afrika mainty sy ny jiosy velively. Fa nahoana? Satria ny tsirairay avy dia samy manana ny fampanantenana sy ny fotoana famangiana azy. Efa teny an-dalana ho any Isiraely i William Branham fa rehefa tonga tao Egypta dia nosakanan’Andriamanitra izy. Ary Jesosy-Kristy izao mihitsy tamin’ny ministerany no tsy namela ireo mpianany hankany amin’ireo Samaritana sy izao tontolo izao.
Ireto toriteny ireto dia ilay Hiaka ao amin’ny Matio 25:6 ihany. Ary ity no fototry ny toritenin’ny fifohazana. Lazain’ny sasany fa hoe antikristy, irak’i Satana, toriteny “nivaquine” aho, ny sasany kosa manozona ahy sy maminany ny ratsy ho amin’ny fiainako nefa ifaliako izany satria misy olona maro izay tamy sady mino nefa tsy misy ezaka avy aty amintsika akory. Inona no lazain’ny Baiboly? “… ary izay rehetra voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.” Asa 13:48. Amen! Afaka fotoana vitsy, hisy mpitoriteny maro hiainga avy eto miaraka amin’ilay Fanahy iray ihany ary hitory izay mbola tsy notoriko akory aza. Andriamanitra dia hanomboka haniraka olona izay manana fiteny mbola mahery sy masiaka kokoa noho ny ahy. Izany no trangan’i Mutzer sy Calvin izay mahita hoe “malefaka (Na: vavy toetra) loatra” ny toritenin’i Luther. Ny Hiakan’ny mamatonalina dia hanana ako maro. Ny ako dia very toetra sasany fa ny vontoatiny sy ny tanjona mitoetra.
Eny ary, Matio 25:6, miaina ao anatin’ny vanim-potoana hafa an’ny tantaran’ny Famonjena isika. Tsy fotoan’ny fananganana trano fivavahana lehibe sy tsara tarehy (Na: miendrik’andriana) miaraka amin’ny “marbres”, “moquette”, “ventilateurs”, fitaovana fanamafisam-peo lehibe. Tsy fotoana intsony izao ny anofisan’ny lehilahin’Andriamanitra “villas”, fiarakodia maro, … fa izay ezaka rehetra, izay momba ny ara-bola rehetra dia mandeha mivantana mitodika any amin’ny fanapariahana ity Fahamarinana ity noho ny fifohazana. Ary tsy misy afaka manompo an’Andriamanitra afa-tsy hoe akon’izay ataon’Andriamanitra aty ankehitriny. Izany no antony, mahatonga ahy manohitra ireo evanjelista batista, “foursquare”, sy ireo hafa… Mampandre anareo aho izay! Aza manangana mpifanandrina hafa hanohitra anay! Raha mihiaka ireo voromahery, aoka hangina ireo goaika. Raha mitory filazantsara amin’ny silamo iray na katolika iray ianareo mba handefasana azy any amin’ny fiangonana batista na pentekosta, inona moa no nataonareo? Tsy nanao afa-tsy famindrana gadra ho amin’ny efitrano figadrana hafa ianareo. Ilay vala iray an’i Satana iny ihany io. Ianareo dia feon’ny fifandirana manohitra izay ataon’Andriamanitra ankehitriny!
Matio 25:6-7, … niverina ny fotoan’ny mpitoriteny mpandehandeha ary izany no tetezana iraisana amin’ny finoana apostolika. Mpitoriteny maro no handeha eny rehetra eny manavatsava ireo ambanivohitra, ireo tanàna sy ireo firenena mba hanambara amin’ny nofo rehetra fa ireo fanahy izay miasa ao anatin’ireny fiangonana katolika, metodista, evanjelika, pentekôtista, batista, “foursquares”, anatin’ireny fiangonana sy ministera afo ireny,… dia tsy ny Fanahin’Andriamanitra fa ny fanahin’ny devoly; hoe ireny mpaminany ireny dia tsy inona akory fa mpisikidy fetsy mitovy amin-dry Gbahié, Zérédji sy ireo sasany mpanao ody ihany; mba haneho ny tena tavan’ireo fikambanana sy fivondronan’ny fiangonana izay fitaovana politika, harona feno mpangataka sy vola fanampiana avy amin’ny fanjakana. Andriamanitra tsy mpangataka! Rehefa ny mystika iray izay mbola tsy nanasa ny tanany no miditra amin’ny zavatra masina, dia loza izany ary izany no manjo an’i Soumah Yadi, mpikambana ao amin’ny “rose-croix” sady mpanao politika vao zara raha niova fo tamin’ny fiangonana iray dia efa manandratra ny tenany ho anjelin’Andriamanitra nefa izy dia mbola filohan’ny antoko politika iray ihany. Hitanareo?
[…] Firenena milaza ny tenany ho laika nefa tsy misy marika teokratika (Na: ara-pahefan’Andriamanitra) akory na dia kely aza… ary tsy azoko mihitsy io fahataitairana etsy sy eroa io, ireo mpaminany mpisikidy voalohany indrindra. Mpangataka miseho tava miroso hatrany amin’ny fanaovana sarin’ny afo fandiovana ho an’ireo fiangonana sy ministera. Mba ho fanta-daza sy hahazo sitraka, ireo fiangonana sy ny mpikambana ao aminy dia tokony hiditra ao anatin’ireny fiombonan’ny fiangonana ireny ary izany, andoavana 50.000 F ho an’ireo fiangonana ary 10.000 F ho an’ireo lehilahin’andriamanitra ary tsy kaontiana intsony ireo fiankohofana eo anoloan’ireo mpanao politika, ireo antoko politika, ireo lapan’ny tanàna sy ireo fikambanana hafa. Ao anatin’ny taratasy iray tamin’ny 05/11/2002, N°AN/CNEPE-CI/201/02, ny “conseil national des églises [Cnepe-ci]” dia nangataka vola fanampiana avy amin’ny fanjakana izay mihoatra ny iray tapitrisa tany amin’ny lapan’ny tanàna kelin’i Attécoubé mba hivavahana fotsiny ho an’ny fireneny ihany izay misy ady, … ny fireneny ihany! Izy samy izy ihany, dia mifaninana amin’ireo sekoly tsy miankina, ireo “supermarchés”, ireo “actions” any amin’ny banky sy orinasa, ireo fiarabe fitaterana, ireo fiara karetsaka (Na: Taxis), ireo fiangonana fandraharahana ananany… Ary ny alahady, miova ho anjely avokoa izy rehetra. Lo ireo fiangonana! Ny mpitarika ao manofy fiarakodia, “villas”, manatavy tena, manao kiraro sy palitao lafo vidy nefa ao amin’ireo fiangonana ireo ihany koa, misy mahantra maro. Hitanareo? Samy hafa ny fomba fijerin’ny amboadia sy ny mpiandry ondry ireo zanak’ondry. Eny, samy hafa ny fomba fijerin’ny amboadia sy ny mpiandry ondry ireo zanak’ondry. Ahoana mihitsy no amelan’Andriamanitra ny varavaran’ny valan’ondry amin’ny amboadia? Ary raha tena mpiandry ondry rizareo, ahoana mihitsy no andaozany ny varavaran’ny valan’ondry mba hitoerany any an-dapam-panjakana. Ireny Luis Palau, Franck Alexandre, Jim Lassiter, Hamsa Eichler, Samuel René Sirat, Nichiko Niwano, Konrad Raiser, Elio Toaff ireny, ... dia tsy inona akory fa demony nazera ho ao anaty tenan’olombelona ihany. Tsy avy amin’ny alalan’ny Fanahy-Masina intsony fa avy amin’ny alalan’ny karatra maha-mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ireo fiangonana no ahafantarana ny lehilahin’Andriamanitra. Ary io forongona jiolahim-boto io dia mandehandeha am-pahalalahana eny miaraka amin’ny tariny. Afa-tsy hoe aseho amiko ny mifanohitra amin’izany, io fikambanana io dia kisarisary satanika ary ny lavaka lalina dia tsy mitsahatra ny miteny mafy manohitra anareo hoe: “Fanamelohana! Fanamelohana! Fanamelohana!”. Ianareo, ireo “clergé” (Na: fiangonana) anareo, ireo mpikambana ao aminareo, hankany amin’ny helo ianareo. Nosimbainareo ny tany, Andriamanitra dia hanimba anareo! Ary efa mitoetra ho tehim-by sy tsipìka mihenjana hitifitra anareo sahady aho. Andriamanitra ô! Maniraha mpitoriteny maro manana fiteny mivatambatana ho fototra sady manana fanahy “acier” (izay vy noharoharoana arina kely mba hahamafy azy) sy toriteny mangotraka izay tsy azon’inona na inona ampiahiahiana ary irehetan’ny Fanahy, ny Afo ary ny tenin’ny Fianana mandrakizay ao anatiny. Voasoratra hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara”, nefa Kaisara izao mihitsy no tonga mipetraka any amin’ireo fiangonana toa andriamanitra, mitafy volon’ondry, mampanompo an’i Kristy nefa izy no tokony hanompo Azy. Tsy mitady ny hanapaka lohan’olona intsony izy fa mamono (Na: manapaka tenda) fanahy sy mangalatra amin’ny anaran’Andriamanitra indray. Mipetraka amin’ny seza fiandrianana rizareo dia manao ny tenany ho lohan’ny “clergé” izany hoe filohan’ny “clergé” katolika, batista, metodista, “assemblée de dieux”, “vie profonde”, vavolombelon’i Jehovah, … lohan’ny “clergé” = DUX CLARIV’S izay manome amin’ny isa romana ny 666 izay isan’ilay anaram-boninahitra, ilay anarana fanaovana blasfemia an’ny antikristy. DUX CLARIV’S (lohan’ny “clergé”), raha adika tany an-tany izany any amin’ny jentilisa dia hoe: Filohan’ny Fikambanan’ny Mpitantana (Na: “Président du Conseil d’Administration”). Izany hoe ilay lohan’ireo izay manana ny fitantanana na mitantana ny fikambanana anankiray na orinasa iray. Nefa, 1 Jaona 2:18 nilaza hoe: « Rankizy, izao no ora farany; ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ilay antikristy, ankehitriny koa efa feno antikristy ». Efa renareo fa hisy papa anankiray fa ankehitriny ny fiangonana tsirairay avy dia manana ny papany, ny filohany… Hisy papa maron’ny fiangonana… antikristy maro. Ny “clergé” dia ny fitambaran’ireo pretra na pasiteran’ny fiangonana anankiray. Izy rehetra ireo dia emperora, mpanjaka, mpifehy arivo, … na dia kely tahaka ny inona aza ny fiangonana nametrahana azy ireo. Amin’ny isa romana, ahitantsika ny: D = 500, X = 10, C = 100, L = 50, I = 1, V = 5. Noho izany, DUX CLARIV’S manome 666. Na izany aza, ny papa dia mitoetra ho ilay VICARIV’S FILII DEI izay manome 666 sy midika hoe: solontenan’ilay Zanak’Andriamanitra na izay eo amin’ny toeran’ilay Zanak’Andriamanitra. Ary, araka ny Apok. 13 sy 17 dia hitantsika mazava tsara fa ireo fiangonana protestanta, evanjelika, asa-misionera sy ministera dia ireo zanaka-vavy noho izany sarin’ny fiangonana katolika romana ary noho izany ireo filohan’izy ireo dia tsy inona akory fa sarin’ny papa izay any Roma. Milaza izany aho sady tsy manadino ireo branhamista, ilay safiotra ao anatin’ilay fiaraben’ny foloalindahy.
Hitanareo? Inona moa ireo ministera izay antsoina hoe “curé”, “révérend”, filoha, kardinaly, papa? Ary amin’ny heviny ara-pivavahana, ny teny hoe “révérend” dia midika hoe: izay hajaina na iankohofana. Ny katolika milaza fa manaja an’i Maria ary ianareo mahita tsara fa izany dia midika hoe: miankohoka. Any amin’ny jentilisa, izany dia midika hoe: i anona ilay Mendri-kaja na ilay hajaina. Izay nataon’ny mpanao sary sokitra niaraka tamin’ny hazo, izany no ataon’i Satana miaraka aminareo, misokitra sary maro, andriamanitra maro, ary manome azy ireo fahefana ny hiteny amin’ny anarany tahaka an’i André Kouadio. Ary ny “révérend” ivoariana Dion Robert, ilay fonentana iny, dia tsy inona fa saron-tava Yacouba. Iny dia mpankafy fatratra ny fokon’i Dana sy Efraima izay voafafa tao amin’ny firenena roa ambin’ny folo ny anarany ao amin’ny Apok. 7 noho ny zotom-pony amin’ny fanompoan-tsampy, nanomboka tamin’ny fotoan’i Jeroboama ao amin’ny 1 Mpanjaka 12:28-30. Jereo koa: Hosea 4:17…
Ireo demony dia tsy nisy very tamin’ny izay nananany nialohan’ny nahatody ny Filazantsara taty Afrika. Nandao ireo renirano, ireo hazo sy ala masina, ireo lobolobo, ireo toerana avo, ireo tendrombohitra, ireo fomban-drazana fotsiny rizareo… mba hahatonga azy ireo any amin’ireo fiangonana. Ary ireo kisoa sy ireo vorona maloto, maharikoriko sy ankahalaina, ireo izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao dia hiankohoka amin-drizareo araka ny Apok. 13:8. Ao amin’ny Isaia 14:13-14, ireo filoham-piangonana ireo, ireo anjely nazera ireo dia te hanandra-tena ho eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra mba hiankohofana tahaka an’Andriamanitra. « Ary ianao, efa nanao anakampo hœ: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako, dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana, any am-parany avaratra aho. Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho, ka ho tahaka ny Avo Indrindra ». Dia nisy ady avy eo ka nazera tety an-tany rizareo araka ny Apok. 12:7-9. Avy eo aty am-parany, naka endrika olombelona rizareo, ka tonga mametraka ny tenany ambonin’ireo fiangonana toy ny andriamanitra, raha tokony mibebaka no ataony. Ary hitantsika fa hoatsipy any anaty lavaka lalina rizareo: izy ireo, ireo fiangonany ary ireo mpaminaniny.
Jentilisa aho taloha ary nahazo antso avy eo iraka. Ka tsy izay heveriko ho marina na izay zavatra foronon’ny saina no toriko fa miteny avy any amin’i Jesosy-Kristy aho. Tsy tao anatin’ny fianarana ho pasitera, tsy mba namaky boky teolojia velively aho na dia kely akory aza. Samy hafa amin’ny hoe olona iray mahatsapa zotom-po na mahita fahafatesana ara-panahy ao anatin’ny fiangonana ka lasa manao zavatra. Eo, fahadisoana izany ary fahotana mihitsy aza satria tsy midika izany hoe manana ministera ianao na hoe ianao no tokony manao izany! Tsy hoe satria hitan’ny mpanohana ekipa anankiray fa tsy milalao tsara ilay izy dia indro izy fa mirotsaka eo an-kianja. Tsia! Na inona na inona ataonao eo, ireo fahagagana, ireo fanahy (voataona), dia “disqualifié” ianao. Na dia mahafaty baolina maro aza ianao, dia aotra izany. Lasa loza ho an’ny ekipanao mihitsy aza ianao. Andriamanitra tsy afaka manaiky ny asa sy ezaka nataon’izay tsy nirahiny. Ary raha misy olona manaraka lehilahy tahaka izany, dia ho fahaverezany izany. Rehefa manameloka ny fiangonana rehetra aho ary tafiditra ao ny branhamista, dia Tenin’ny mpaminany izany, izany no “Izao no lazain’i Jehovah Tompo” ary tsy isalasalako izany. Hitanareo? Ary mbola te handeha lavitra kokoa aho mba hilaza fa… Hoy ny Baiboly: « … Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny; fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa, tsy mba nankasitrahany... » Hitanareo? Etsy an-daniny, misy ilay olona ary etsy an-kilany, ilay fanatitra aterin’io olona io. Raha ny amin’i Abela, Andriamanitra dia efa nankasitraka azy tany an-tsainy (Na: eritreriny) mialoha ny nanorenana izao tontolo izao ary izany no nahatonga Azy nankasitraka azy sady tsy maintsy nankasitraka ilay fanatitra izay efa notandremany ambara azy koa Izy. [Hoy ny fiangonana: Amen!]… Io tsy fanaovana fifadian-kanina mandritra ny fito-polo andro, miasa ho an’Andriamanitra tahaka ny elefanta, fa miankina amin’ny fahefan’Andriamanitra ny rehetra. Mialohan’ny nanorenana izao tontolo izao i Abela dia nankasitrahana dia avy eo tao amin’ny saha Edena, izy sy ny fanatiny… [Tsy voadika amin’ny raki-peo].
Tamin’ny taonjato faha-XVI, fony i Martin Luther mbola nifampitana tamin’ny katolisisma, dia nandao azy ny namany Erasme, izay nahatsapa fa ny toritenin’i Luther dia “maniratsira sy mihantsy ady loatra” saingy i Luther dia nikikitra hatrany satria hitany fa sarobidy mihoatra noho ny ràny ny asan’Andriamanitra. Raha tokony hanontany ny Baiboly na handohalika, dia aleon’ny olona mitodika any amin’ny pasitera maro sy ireo hafa. Raha ny amiko aloha, ataoko vavolombelona ny lanitra sy ny tany, eo anatrehan’Andriamanitra sy ireo anjeliny masina ary eo anatrehan’ny olombelona, efa nataoko teo am-pelantananareo ny Lalana, ny Fahamarinana ary ny Fiainana. Ataovy amin’izay tianareo anaovana azy izany!
miverina any amin’ny lisitra