… Rahefa avy nahalala ny Fahamarinana tsy azo toherina izay nampanantenana ny vanim-potoantsika isika, ny sisa tokony ataontsika dia ny mitondra Izany eny rehetra eny izay mety hisy zanak’Andriamanitra, na manan-karena izy na ory, lavitra na akaiky. Andriamanitra izay marina dia tsy hamela ny idirantsika any am-paradisa ka tsy hanadinana amintsika ny ran’izy ireny. Raha manan-kasina ny tsangan’aina maha olona araka ny ambaran’ny lalàn’ny olombelona, dia mihoatra lavitra izany aina (âme). Misy adidy lehibe takiana amintsika. Ny didy ao amin’ny Matio 28:19 dia tsy ho an’ny trakitra na boky fa ho an’olombelona, isika! Ny boky tsy afaka mamaly fanontaniana! Hitanareo? Rehefa hitan’Andriamanitra fa nizotra mahitsy mankamin’ny fahaverezana razanak’olombelona, dia nesoriny ny fahalehibeazany maha-Andriamanitra sy ny voninahiny rehetra mba hanolorany tena ho sorona ho antsika mba hananantsika ny Fiainana mandrakizay tahaka Azy. Ny zavatra lehibe indrindra izay nomen’Andriamanitra ny olombelona, dia ny Fiainany (Na: Ainy) izao mihitsy. Nefa, mitoetra eo afovoan’ireo anjely, raha tsy nidina Izy, dia mijanona ho Andriamanitra hatrany Izy saingy nanao izany Izy mba hananantsika ny Fiainana. Hitanareo? Nefa inona moa no antsoin’ny olona hoe voninahitra ka manakana azy ireo tsy handeha hanompo an’Andriamanitra? Tsy haiko! Ao amin’ny Matio 4:8-9, i Satana dia nikasa ny hanolotra ny rehetra an’i Jesosy saingy nandà Izy! Izany no mahatonga antsika tsy miditra amin’ny politika […]
Rehefa misy lehilahy iray mihambo ho manompo an’Andriamanitra, dia tadiavonareo aloha izay hahalalàna ny maha-marina ny antsony, ny iraka azony ary ny alalana azony mialohan’ny itadiavana izay hahalalàna raha marina izay lazainy na ataony. Rehefa tsy nirahin’Andriamanitra ny olona iray, dia tsy ekeny ny ezaka sy zavatra tsara nataon’iny lehilahy iny. Ny hoe mitoriteny marina (tsy diso) tsy midika na inona na inona satria ny devoly izao mihitsy aza dia mahalala ny Teny.
Ny sitrapo marin’Andriamanitra dia ny hitondran’ny mpaminany an’ny Isiraely fa tsy ny mpanjaka. Saingy nitaky mpanjaka Isiraely, 1 Sam 8:4-7. Andriamanitra dia tsy miteny avy amin’ny mpanjaka fa avy amin’ny mpaminany. Nialohan’ny nahafatesan’i Samoela, dia tokony nanosotra mpaminany anankiray ho eo amin’ny toerany izy. Ka raha ny fahatongavan’ny mpanjaka izay nofidian’ny mpaminany aza no tsy Sitrapo marin’Andriamanitra dia tsy mba ny filoha izay nofidian’ny olona velively ho izany. Ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:11-14, i Josia mpanjaka dia naniraka an’i Hilkia mpisorona sy Ahikama mpanoratra mba hanontany ny Tenin’Andriamanitra any amin’ny mpaminany. Ao amin’ny 2 Tan. 20:20, i Josafata mpanjaka milaza amin’ny Isiraely hoe: “Minoa an'i Jehovah, Andriamanitrareo, dia ho tafatœtra ianareo; minoa ny mpaminaniny dia hambinina ianareo”.
Ny kristiana dia tahaka ny miaramila anankiray izay nantsoina ho faty indray andro any ho an’ny tanindrazany, raha hisy izany. Amin’ilay andro izay hanenoan’ny antso mba hanafihana, dia ny zava-drehetra eto amin’ny tany ity tsy hisy dikany, tsy ny volany na ny ankohonany ihany no miantoka fa ilay sarobidy indrindra ananany, ny ainy. Izany no mahatonga anareo tokony ho vonona amin’ny antson’ny Jeneraly. Ary tsy afaka iray volana izany, na afaka herintaona fa anio. Ny Baiboly sy ilay fahitana manamarina izany ka izay no antony hoe tao anatin’ilay fahitana tamin’ny 1993, ianareo dia mahita ilay zanak’ondry izay sary famantarana ny fanaovana sorona. Io fahitana io ankehitriny dia efa voadika hevitra afa tsy ireo voromailala anankiroa izay olona roa izay itoeran’ny tena Fanahin’Andriamanitra ary mety hankaty amiko mba hilaza zavatra fotsiny. Tsy fantatro hoe amin’ny fotoana inona fa ho fantatro hoe avy amin’Andriamanitra no nahatongavany tahaka ny nahitako izany tao amin’ilay fahitana. Hitanareo? … Ary mifanaraka amin’ny Asa 16:6-10, ny Fanahy Masina dia handamina io fifohazana io eny amin’ny sahan’ny iraka (mission). Tsy maintsy ampifanarahana amin’ny drafitry ny Sitrapony ny rehetra raha tsy izany dia fahotana ary ataoko fa raha niantso ahy Izy dia nahafantatra ahy Izy izany talohan’ny nanorenana izao tontolo izao ary mahafantatra ny zava-bitako Izy. Tamin’Izy nanolotra ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra an’i Petera, dia nahafantatra Izy hoe iza i Petera! Ahoana no hahatody ity Hafatra ity any am-paran’ny tany, Izy no mahalala izany ary ireo izay manana ilay finoan’i Josoa sy i Kaleba iny no hiditra. […].
Inona moa no hoentin’ny bokin’ny pasitera batista anankiray ho ahy afa tsy ny ho lasa batista tsara! Rehefa noraran’ny papa Innocent III ny famakiana ny Baiboly, inona moa ny tanjona tian’i Satana tratrarina? Io ilay tanjona efa tratrany ankehitriny avy amin’ny fomba hafa, mba ampanekeny ny sitrapony amin’ny olona. Avelany ho eo am-pelatanan’ireo ny Baiboly, dia omeny fandikana hevitra tsy lany isaina ireo. Fomba batista, pentekôtista, vavolombelon’i Jehovah, advantista, nazareana, … izay tody marina sy ao tsara amin’ilay tanjona iny ihany. Ny zanak’Andriamanitra anankiray izay mifantoka amin’ny Famonjena sy ny Fiainana mandrakizay, dia hikaroka na dia amin’ny antsipirihany aza ny ahalalana izany atao hoe kristianisma. Ny voalavo dia tsy afaka ny ho atao biby fiompy, ny zanaky ny devoly anankiray na dia ampikasihina ny Fahamarinana aza dia hijanona amin’ny maha izy azy ihany. Ny zanak’Andriamanitra anankiray ampikasihina lainga dia hanontany tena mandra-panazava azy ny marina! Amen! Hitanareo? Ny lalina miantso ny lalina.
Teo anelanelan’ny 1540 sy 1570, kristiana sivy tapitrisa ny no nodorana velona, nalevim-belona, notapahan-doha,… tsy ilay Roma mpanompo sampy no nanao izany fa ny fiangonana katolika romana. Fa nahoana? … Tamin’ny 1415, i Jean Huss, izay mpitandrina (recteur) ny Oniversite any Prague, dia nodorana velona teo ambonin’ny antotan-kitay. Fa nahoana? … Tamin’ny 1384, i John Wyclif, mpampianatra (professeur) tany Oxford dia nodorana velona teo ambonin’ny antotan-kitay! Fa nahoana? … Ny haza lambo (inquisition) tamin’ny 1229 najoron’ny fiangonana katolika dia nandringana tanteraka ireo “Albigeois”. Fa nahoana? … Tamin’ny aogositra 1572, tao anatin’ny alina anankiray, 70 000 no kristiana naringana tany Paris sy ireo faritany. Fa nahoana? … SATRIA RIZAREO NANOHITRA IREO ANTSOINAREO ANKEHITRINY HOE FIANGONANA! Rizareo dia nanohitra ireo razamben’i kardinaly Agré, ireo “révérends” Dion Robert, Benjamin Boni, Kpan René, Jean-Baptiste Nielbien, Paul Ayoh, André Kouadio, … Ireo olona mahatsiravina maimbo fahotana sy fahamelohana, anjely lavo, nazera avy any an-danitra ary tatatatain’ny fanamelohana mandrakariva, mamitaka ireo izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny Fiainan’ny Zanak’ondry hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Ireo izay tsy mahafantatra fa ny manao asan’Andriamanitra dia ny manaiky sy mihaino izay nirahiny, Jaona 6:28-29.
Nanao fikarohana momba ny apostoly tsirairay aho, isan-teboka ary na dia niely aza rizareo, dia niazona ilay fampianarana iray ihany. Taorian-drizareo, dia niazona ilay fampianarana iny ihany koa ireo mpianany mandra-pahafatin’ny fanenjehana azy ireo… Tsy azonareo fitahana ny zanak’Andriamanitra anankiray! Ary ny olona dia tody hatramin’ny filazana fa ny fanahy izay miasa ao anatin’ireny fiangonana batista, “assemblée de dieux”, pentekôtista, sy ny sasany ireny dia ny Fanahy-Masina! Blasfemia izany! Raha alahatrareo fa ilay fanahy izay miasa amin’i Kacou Séverin, Kacou Gem, J-M. Domoraud, … Osborn, Morris Cerullo, dia ny Fanahy-Masina, dia ahoana izany ny amin’ilay miasa amin’i Zérédji ilay mpisikidy sy i Abekan ilay pretra? Tsy tiako raha miara-matory (ara-panahy) amin’ireo izay tsy nateraka hibebaka ireo zanak’Andriamanitra. Rehefa hitanareo foursquare, fiangonana iray efa tranainy tamin’ny 1922, izay sady ao amin’ny FECI no ao amin’ny CNEPE-CI. Sady manao batisa amin’ny anaran’i Jesosy-Kristy no manao ilay batisa ara-telo izay iray. Mandehana mizaha izao tontolo izao sy ny famitahana any, inona no ataon’ny zanak’Andriamanitra anankiray any? Ny Fiangonana, araka ny nampidirana azy tao amin’ny Asan’ny apostoly sy ny fivelarany ao amin’ny tantara dia tsy misy ifandraisany amin’ilay antsoinareo ankehitriny hoe “fiangonana”. Mora loatra ve ny mametaka vatana batista amin’io loha io ary mamitaka zanak’Andriamanitra avy amin’izany? Ianareo tsy afaka mametaka sarim-behivavy anankiray amin’ny kara-panondro dia ampinoana zaza anankiray hoe: “Io ny mamanao!” Hamarininy ny anarana, ny halavany, ny volo-koditra, ny taona, … Ary tsotra loatra izany! Izany nefa no andraman’ny devoly atao. Fiangonana aman’arivony saingy ny Baiboly milaza fa ny olom-boafidy dia tsy ho voafitaka! Amen!
Noho izany zavatra rehetra izany no iantsoan’Andriamanitra antsika any amin’ny sahan’ny iraka (mission)! Fa nahoana? Mba hanaovana sakana ho an’ny famitahana ary hahafa-tsarona ny devoly sy ireo hafetseny. Ilay antso farany sady faratampon’Andriamanitra dia maneno ho an’ny kristiana lahy sy vavy tsirairay avy. Raha ny apostoly no rainareo ary mihambo ho mandeha eo amin’ny diany ianareo, noho izany, raiso izao antso izao tahaka ny feo re ao am-ponareo, na dia henjana tahaka ny inona aza izany. Andriamanitra tsy miantso antsika ho amin’ny rindrina efatra intsony fa eny amin’ny sahan’ny iraka (mission). Izao no fotoana izay tokony hankanesan’ny Fahamarinana hitety tanàna, fokontany, ambanivohitra! … ireo manana aretina, ireo ory, ireo manan-karena, ireo marary. Aza miditra any amin’ireo “villas” mba hipetrapetraka fa aleo any amin’ireo trano bongo kely izay tsy ahazoanareo antoka akory hoe hahazo akondro natono ho sakafo ianareo. Izay hery anananareo amin’ny tanàna iray, iny ihany no andehano ao amin’ny tanàna manaraka! Aza manao kajikajy! Ilay Andriamanitr’i Elia izay nitarika ireo apostoly raintsika sy ireo mpianatrizareo Izao mihitsy no hitantana anareo.
Tamin’ny 1415, i Jean Huss, izay mpitandrina oniversite dia nametra-pialana, lasa mpianatry ny mpitoriteny kely anankiray izay nahazoany ireo sora-tanany ary rehefa feno tsara ny fampianarana, dia nandeha nitety toerana izy nitory ny antsoin’ny olona hoe “hérésie” (Na: finoana tsy eken’ny fiangonana, tsy lanin’ny maro) ary raha ny tena izy nefa dia fahamarinana izay tsy hain’iza na iza toherina; mandra-pandoro azy velona. Nanomboka tamin’ireo apostoly ka hatramin’i Wesley, tsy nahita lehilahin’Andriamanitra nametra ny asa fanompoany anelanelan’ny rindrina efatra aho. “Mandehana eny rehetra eny…”. Na kianja katolika, silamo, evanjelika, animista izany, mitoria teny eny rehetra eny! Tsy mila maka alalana amin’iza na iza ianareo. Izany no an’ireo mpitoriteny mahery fo nandritra ny 1900 taona. Hitanareo? Ny olona mihevitra ny tenany hoe kristiana nefa tsy izy akory. Izany no tsy maintsy lazaintsika amin-drizareo araka ny Ezekiela 33:1-9 na dia antsoindrizareo aza izany hoe fitsarana. Tsy tompon’andraikitra amin’ny fihetseham-pony isika. Andriamanitra dia nampandre an’i Kaina nefa fantany izao fa hamono an’i Abela izy. Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia nataon’Andriamanitra avy amin’ny alalan’ireo mpaminany amin’ny vidin’ny ran-drizareo izany. Ao amin’ny Fiangonana, Izy tsy nanao izay na avy amin’ny anjely na avy amin’ny Tenany Izao mihitsy fa avy amin’ireo kristiana izay isika izao. Avy amin’ireo apostoly raintsika sy ireo mpianatra aloha ary amin’izao kosa avy amintsika. Ka tsy zava-baovao izany akory! Izany no mahatonga ahy miangavy anareo mba tsy hametraka ny ara-nofo ho alohan’ny ara-panahy! Ireo zanaky ny devoly dia miahy izay ho fiainany rahatrizay eto an-tany, hatramin’izay mety hiafaran’ny fatiny, aza manahaka azy ireo! Raha tokony hoatao toy ny alika ianareo dia mankany an-danitra, aza mihemotra! Raha misento ho an’ny lanitra ianareo ary manaiky ianareo fa ilay Andriamanitra Tsitoha no niteny tamiko ny 24 aprily 1993, dia raiso izao toy ny antson’ny Tompo Jesosy-Kristy Izao-mihitsy. Andriamanitra dia nanolotra ny tenany ho antsika ka rariny loatra raha mangataka ny aintsika (Na: fiainantsika) izy! Aoka isika ho faty ho an’ny tany ary velona ho an’ny lanitra! Ny mampindrana an’Andriamanitra izay nomeny antsika, dia tsy tokony hojerena ho toy ny fanaovana sorona tafahoatra!
Hitanareo? Ary raha misy fiangonana tsy mandroso, … Tsy adinoko ny milaza fa, ho an’ny Hafatra vaovao, tahaka Ity, ny fiangonana anankiray, indrindra fa an-tanàn-dehibe, dia tsy afaka ny handalo telo volana tsy misy fiovam-po. Ary ilay tompon’andraikitra, no lohany. Ary raha mitohana izany, dia tokony hanaiky ny hipetraka am-panetren-tena, avy amin’ny tenany ihany izy. Mbola hiverenako izay.
Fa, ho an’ireo mpino kosa, tadidionareo ilay fanoharana ny amin’ireo talenta ary aoka tsy ho aviavy tsy mamoa ianareo! Rahalahy sy ranabavy, tahaka ilay samaritana vavy, ataovy izay handrenesan’ny olona rehetra manodidina anareo ity Hafatra ity… tahaka an’i rahalahy Bitty.
Torak’izany koa, izay rehetra na lahy na vavy manana ara-pitaovana na ara-bola dia tokony hietsika, mametraka ny fananany entina hanompo an’Andriamanitra araka ny Ezra 1:5-6.
Hotahin’Andriamanitra anie ianareo, tapitra ny fotoam-pivavahana. Any aminareo any an-trano, aza adino ny mivavaka ho ahy. Mba, na dia tafasaraka ara-batana aza isika, hotehirizin’Andriamanitra ao anatin’ilay Fanahy Iray ihany mandra-pihaonantsika indray.
miverina any amin’ny lisitra