Tahaka ny mpaminany ao amin’ny Baiboly, tamin’ny aprily 1993, nisy lehilahy iray izay tsy mba niditra am-piangonana mihitsy nefa tamin’ny alalana fahitana, notsidihan’Anjely anakiray izay naniraka azy ho an’ny Hafatra iray izay natao ho an’ny tany manontolo mba ho fanatanterahana ny asa fanompoana (Na: ministera) ao amin’ny Matio 25:6 sy Apokalypsy 12:14. Ny tanjon’ity Hafatra ity voaloha dia « … hanana ny Fiainana Mandrakizay izay rehetra mino ». Tahaka ny nanomezana ny mpaminany, pasitera, apostoly, mpampianatra sy evanjelista amin’izao tontolo izao ny hanao fahagagana maro, fanafahana sy hitondra fahalalana ho an’izao tontolo izao araka ny Matio 7:21 izay hitantsika eny amin’ny peta-drindriny eny hoe: “Alim-bavaka lehibe ho fitahiana”, “Fanafahana sy fahagagana lehibe”, “Alim-bavaka sy fisaorana lehibe ary fahombiazana eo amin’ny fandraharahana”, “Seminera lehibe ho fampianarana momba ny …”, “Alim-bavaka lehibe feno hosotra sy fanasitranana”, “Hetsika lehibe ho fampiorenana”, “Tsy mahomby va ny fanambadianao, manana sakana ianao, manana izato sy izatsy, tongava!”, … Io lehilahy io, ny 24 aprily 1993, nialohan’ny mba hidirany izany hoe fiangonana izany, dia nirahin’Andriamanitra (tahaka an’Isaia, Jeremia, Ezekiela, …) tsy ny hanasitrana sy ny hanafaka ihany fa ny hitondra Hafatra izay hanome ny Fiainana mandrakizay amin’izao vanim-potoantsika izao.
Inty ary ny fahitana mirakitra ny antso sy iraka arak’izay notantarainy:
ANTSO SY IRAKA
Niova fo aho ny 24 aprily 1993 araka ny Daniela 10:4-11 avy amin’ny alalan’ny fahitana iray izay nahitako ny tenako mijoro eo amin’ny fasiky ny ranomasina avy eo dia eo an-tendron’ny pyramida avo iray avy eo dia eo amin’ny fasiky ny ranomasina indray fa amin’ny toeran-kafa ary hitako nisy fiaraben’ny foloalindahy iray nivoaka avy any anaty lalin’ny ranomasina any ary nandeha tao aoriako. Nitodika aho ary hitako fa misy olombelona maro ao anatiny. Vehivavy ireo ary ny iray tamin’izy ireo dia safiotra (Na: métisse). Avy eo nisy voromailala roa nankaty amiko ka nizotra nankeny amin’ny rano avy eo ireo. Nisy fanakona-masoandro tamin’izay dia avy eo nisy lehilahy mitarehin-drahona sy mitana sabatra nidina avy tany an-danitra niaraka tamin’ny zanak’ondry iray ary niverina ho nazava indray ny tany. Nijanona teny ambonin’ny rano izy ireo ary ilay Zanak’ondry niteny tamin’ny fiteny iray izay tsy fantatra. Ny feony niditra tato amiko ary dia nidaraboka maty aho. Indro ny fanahiko (Na: tenako na aiko) nankeny ambonin’ny rano fa ny vatako kosa dia natory terỳ amin’ny fasiky ny ranomasina terỳ. Ary rahefa nahavita niteny tamiko izy, niditra tato amiko indray ny fanahiko ary niverina ho velona indray aho nefa tsy tazako intsony izy ireo. Dia indro nisy vahoaka maro nanatona ahy avy any ankavanako ary nanontaniako raha nahita ilay Anjely sy ilay Zanak’ondry izy ireo. Dia hoy ireo: “Tsia!”. Ary hoy aho: Ahoana no tsy nahitanareo ilay Anjely sy ilay Zanak’ondry ary izay rehetra nataony teo? Dia namaly izy ireo: « Tsy nahita ilay Anjely sy ilay Zanak’ondry izahay ary tsy naheno izay teny notononin’ilay Zanak’ondry izahay fa mino azy tanteraka izahay satria izay natolotr’Andriamanitra ary avy eo nalain’ny devoly dia nampodiana ho aminao izany ankehitriny ». Nakariko ny misoko ary nahita tahaka ny tohatra niorina tamin’ny tany izay eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany aho ary nisy olona miakatra sy midina aminy. Tapitra ilay fahitana ary nahatsapa izay efa fantatro ankehitriny hoe Fanahy Masina aho ary nitomany sy nino an’Andriamanitra teo no ho eo.
Ny ampitsony iny nanodidina ny 3 ora hariva, mbola niara-nipetrapetraka tamin’ny fianakaviako iny aho, dia mbola nentina tamin’ny alalan’ny fahitana tany amin’ny tanàna haolo iray aho ary hitako avy any atsinanana, teny maro izay naidina avy any an-danitra nentina tambonin’ny rahona. Ary tao aorian’ireo fahitana roa ireo aho no nitsangana ka nandeha tany am-piangonana voalohany indrindra. [Anamarinana amiko ny iraka ao amin’ny Matio 25:6 sy Apokalypsy 12:14].
Tao anatina fahitana fahatelo, nipetraka tao amina efitra fanaovam-panadinana bakalorea izahay ery nizara ny laza adina ny mpanadina. Hoy aho anakampo: " Fa inona no ataoko ato nefa izaho tsy mba nandalo kilasy second cycle ary inona no handeha hosoratako ato?" [Ny 2nd cycle eto: kilasy faha-10, kilasy faha-11 ary kilasy famaranana]. Nony afaka kelikely dia nisy nilaza tamiko: “Tahaka an’i Maria izay nitoe-jaza tamin’ny fomba mahagaga, nefa tsy nahalala lahy, tahaka an’i Mosesy nandray ny fahalalana izay rehetra nitranga tamin’ny fahariana, dia nandray ny tenin’ny Fiainana mandrakizay ianao ny 24 aprily 1993 ary voatendrin’Andriamanitra izany. Amin’ny fotoana voatendry, hahazo sy hampianatra izay tsy nianaranao ianao mba hanana ny Fiainana Mandrakizay izay rehetra mino”.
INONA NO LAZAIN’ITY HAFATRA ITY?
Ity Hafatra ity dia milaza fa tsy any amin’ny fotoanan’ny hariva (Na: alina) intsony isika fa efa mamatonalina. Nefa kosa ilay vanim-potoana iray iny ihany ity ary ilay Fanahin’i Elia ihany koa fa Hafatra “vaovao” izay endrika avo lenta kokoa an’ny Hafatry ny hariva. [Zakaria 14:7 / Matio 25:6].
Ity Hafatra ity dia milaza fa ny vondron’ny fiangonana maneran-tany, vondrona iombonan’ny fiangonana, fikambanana, vondrona, vondrom-piangonana… ny fiangonana katolika, ny fiangonana ortodoksa, ny fiangonana metodista, Ekankar, antoko Horus, ny fiangonana loterana, ny fiangonana anglikana, mahikari, ny fiangonana batista, ny “rose-croix”, ny fiangonana nazareana, ny siantolojia, ny ezoterisma, ny fiangonana anabatista, vaudou (filalaovana ody), ny fiangonana advantista, ny “compagnons de Jésus”, ny mission Emmaüs, ny “la vie profonde”, ny vavolombelon’i Jehovah, ny vavolombelon’i Jesosy, ny fiangonana foursquare, ny “franc-maçons”, ny fiangonana pentekôtista, ny fanompoana andriamanitra Incas, ny fiangonana protestanta, Krishna, fiangoanan’i Kristy (Na: Eglise du Christ, izay anaram-piangonana), ny “méditation transcendantale”, ny Graal, ny mpanontany amin’ny maty, ny fiangonana evanjelika (Na: ara-pilazantsara), ny “mormons”, “guru maharadji”,… ny vondrom-bavaka (Na: camp de prière), ny monastera, ny “couvents”, ny “missions” sy ministera ary koa ny branhamista [ireo izay mbola manaraka ny Hafatr’i William Branham, na dia am-pahadiovana aza] dia araton’i Satana handefasana ny olona any amin’ny helo ary ny fanahy miasa any amin’ireny fiangonana ireny dia tsy ny Fanahy Masina fa demonim-pamitahana. Ireo ihany no demony tany anatin’ny renirano, lobolobo, saron-tava, “poro” (karazana fomba fisikidiana sy antoko), ody (famosaviana), “dipri” (karazana fomba sy sikidy), ala sy hazo masina, fomban-drazana izay nilàna mpanao ody (mpanasina, ombiasy …) sy mpanandro.
Ity Hafatra ity milaza fa ny demony nampiasa an-dry Elvis Presley, Bob Marley, James Brown, Madonna, Johnny Halliday, papa Wemba ihany no mampiasa ireo tarika sy mpihira ara-pilazantsara ankehitriny tahaka an’i Onell Mala, Makoma,…
Ity Hafatra ity milaza fa ry T.L. Osborn, Morris Cerullo, Yongi Cho, Win Worley, Rebecca Brown, Billy Graham, Luis Palau, Franck Alexandre, D. Owens, S. Swingfield, L. Allison, Ewald Frank, Joseph Coleman, Christian Bernard, Jim Lassiter, D.K.Olukoya, Zach. Adetola, Charles Talingano, Benny Hinn, Reinhard Bonnké,... Kacou Séverin, Faustin Shungu, Mamadou Karambiri, Charles Ndifon, Martin Mutyebelé, Derek Prince, André Larrue, Yvan Castanou, Kakou Gem, Konrad Raiser, Setri Nyomi, Paul Ayoh, George Freeman, Cecil Robeck, Theodor Angelou, Hamsa Eichler, Bet Beach, Ricardo di Segni, Samuel-René Sirat, J.B. Nielbien, Nichiko Niwano, Henri Viaud-Murat, Allou Nicolas Joël, Honorat Kodjo, Rabbin Schneider, David Rosen,... izay rehetra manaraka azy ireo na miray saina aminy ary ireo mpaminany maro mitety tanàna dia mpanao fankatovana, mpisikidy sy mpanao ody, kintana mpanjenjena, ampiasain’i Satana mba hamitaka ny mponin’ny tany, ireo izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao (tahaka ny tamin’ny andron’i Noa) ary ny asa fanompoany (Na: ministerany) dia ilay an’ny menarana (Genesisy 3, Matio 24:24) sy ny an’ny sahona (Apok. 16 :13-14) ary ny an’ny dragona. Andriamanitra Izy Tenany izao mihitsy no niantso azy ireo ho toy ny tafika hiadiany amin’ny fahavalony (1 Mpanjaka 22:19-23 ; 2 Tes. 2:9-12). Ary ny fahagagana vitany, na ny vitan’ny branhamista koa aza, dia manana tanjona ny hamitaka sy hanakana ny olom-boafidy tsy hivoaka an’i Egypta ary hanamafy ny fon’ny faraony sy ny mpanjakany.
Ity Hafatra ity milaza fa ny fiangonana protestanta, evanjelika (ara-pilazantsara), ny “missions” sy ministera dia sarin’ilay bibidia, izany hoe ny katolisisma izay sarin’ny fivavahana silamo ary ireo dia nandray ny marikany, ny fanahiny izay antsoin’ireo hoe “fanahy masina”. Na dia miteny amin’ny fiteny tsy fantatra aza izy ireo, manao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, manangana amin’ny maty ary mitory ny fahamarinana rehetra, dia fanahin’ny bibilava (Na: an’ny dona. Vakio Asa 16:16), dia fanahy mahavaly izany (Na: mahita izay miafina). Ity Hafatra ity milaza fa tokony atao (Na: takiana) batisan’ny ranobe ho fampodiana (Na: fanonerana) ny mponin’ny tany rehetra.
Ity Hafatra ity milaza fa ny baiboly Louis Segond, Tob, Martin, Crampon, Thompson, Scofield, Ostervald, Colombe, Semeur, King James, Tmn, sy ny tariny ary tafiditra ao ireo endriny nahitsy dia “canaris de fétiches” (Na: karazana fody efa maty fampiasan’ny mpanao ody sy sikidy). Ary ireo fivarotam-boky lazaina hoe kristiana dia sarin’ny fivarotam-bokin’ny fahalalana hafahafa (Na: sciences occultes), ezoterika, mystika, ary fanaovan-tsikidy (Na: divinatoires). Ary ny onjam-peo sy fahita lavitra izay an’ireo fiangonana protestanta sy evanjelika tahaka an’i "fréquence vie" dia sarin’ny haino aman-jery katolika ihany ka fantsona ivoahan’ny karazam-pahalotoana sy ota.
Ity Hafatra ity dia manameloka ny endrika fianarana ho pasitera rehetra. Ity Hafatra ity dia manameloka ny teolojia [théo=andriamanitra, logie=fianarana momba ny…] izay fahalalana nipoitra avy any amin’ny helo. Tsy afaka atao ny mianatra momba an’Andriamanitra, na koa ny Teniny. Andriamanitra Izy Tenany ihany no manambara ny Teniny na ny Tenany amin’izay tiany. Ity Hafatra ity dia manameloka ny fitanisana miafina [am-pototsofin’ny pretra na pasitera] ny heloka ary milaza fa tokony ho am-pahibemaso sy eo anoloan’ny fiangonana ny fitanisan-keloka rehetra.
Ity hafatra ity milaza fa ny sata sy fitsipi-pifehezana tokana ho an’ny Fiangonana dia ny Baiboly irery ihany ary tsy tokony hilefitra eo anoloan’ny Fanjakana ny Fiangonana, ka noho izany tsy manaiky ny fahefan’ny minisitry (mpifehy) ny fivavahana (fiangonana) aminay izahay (Na: ny Fiangonana).
Ity Hafatra ity milaza fa ireny FFKM, FIMPIFIMA… ny fikambanana, fiombonana, fivondronan’ny fiangonana eo amin’ny firenena iray na eran’izao tontolo izao ireny dia dragona, kisarisarin’i Satana izay miasa ho an’ny tombontsoan’i Satana.
Ny talata 12 aogositra 2003, i Rahalahy Philippe dia nandoro boky, lahatsoratra sy kasety raki-peo ara-pilazantsara dia tao koa ny Tob, Louis Segond, Martin, Ostervald, King James sy bokin’ireo amperora Billy Graham, Ewald Frank, Benny Hinn, Reinhard Bonnké, T.L. Osborn, kasety horonan-tsary ‘’Jésus de Nazareth’’, sapile (chapelets), diplaoma teolojia sy diplaoma amin’ny karazam-pampianarana ara-baiboly maro, karatra batisa, kasety raki-peon’ny mpihira ara-pilazantsara sy jentilisa… Ireo antontan-taratasy ireo dia nentin’ireo izay mino ny Hiakan’ny mamatonalina araka ny Asa 19:18-19. Ary nanomboka teo, nanao toy izany koa ireo mpino, mandoro ireny zavatra ireny.
Ity Hafatra ity no hamory, hitondra ny fanenjehana ary fampakarana ny olom-boafidy saingy mbola tokony hitety ny faran’ny tany. Ary koa, ity Hafatra ity no hanambara ny mistery farany sy ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra farany momba ny Fiangonan’ireo firenena, izay voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao ary ny fahazoana sy fandraisana (Na: fanekena) izany dia nomena ireo olom-boafidy araka ny Daniela 12:8-10: " Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-tœtra (Na: atao tena voasedra ho madio tsara) … ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra ", ary Asa 13:48 milaza hoe : "... ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino." Ary tokony ho fantatrin’ny olona rehetra fa tsy misy afaka handeha amin’ny herin’ny tenany ka handoro baiboly am-polony maro, hanameloka amin’ny heriny manotolo ireo fiangonana, ny mpitarika izany sy ny mpino ao miaraka amin’ny fahefana izay an’Andriamanitra irery ihany. Koa raha misy izany, na iza na iza hanakana anareo, tokony hitady izay hahalalanareo izay mitranga ianareo satria amin’ny andron’ny fitsarana, dia samy hampamoahana eo anatrehan’Andriamanitra ny tsirairay. [Nanomboka ny aogositra 2003, ity lahatsoratra (N°1) ity dia natao ho fizara rehefa mitory eny an-dalambe, miaraka amin’ny anaran’ireo pasitera sy mpaminany ivoariana. Raisina toy ny fandalovana ny ranomasina mena hidirana ao anatin’ilay Hafatra izy ity. Tsy misy tafita afa-tsy Mosesy sy ny Jiosy ihany avy amin’ny tana-maherin’Andriamanitra. Ary ny aogositra 2006, nolazain’ny Fanahy tamin’i rahalahy Philippe: «Ataovy mitovy habe amin’ny soratry ny Baiboly ilay toriteny voaloha ary ny isan’ny pejy hitanao ao, izay no halava sy isan’ny pejin’ny Hafatra napetraka taminao»].
miverina any amin’ny lisitra