Ny boky izay handeha hovakianareo eto dia ilay Hafatry ny Matio 25:6, Hiakan’ny mamatonalina. Antsoina ihany koa ity boky ity hoe bokin’ny taonjato faha XXI. Ny lahatsoratra dia fitambarana toriteny miisa enim-polo. Ary satria moa ny fitaovana am-pelan-tananay tsy ahafahanay mandefa boky mivantana sy betsaka eran-tany, dia miangavy izahay ny mba handraisanareo azy amin’ny mailaka (e-mail) sy hamakianareo izany am-pilaminana any am-ponenanareo na any amin’ny namanareo ary hanaparitaka izany amin’ny olona tianareo eran’izao tontolo izao. Ary na dia henjana na koa mifanohitra amin’ny sitra-ponareo aza ny voarakitra ao, vakio am-pitoniana ihany satria Hafatra tonga sy hotorina amin’ity taranaka manotolo ity izany araka ny nambaran’ilay faminaniana. Ny tanjonay dia tsy ny hanafintohina olona fa ny hizara aminareo izay nambaran’Andriamanitra amin’ity taranaka ity.
Ity boky ity dia nalefa tamin’ireo olom-piangonana maneran-tany sy tamin’ny fiangonana maro, mpikaroka maro, sehatry ny fampahalalam-baovao samihafa ary tranokala (sites Web) maro eto amin’izao tontolo izao. Ianarana (Na: sy atao fanadihadiana) any amin’ny toeram-pampianarana sy sekoly teolojika maro izy ity. Misy taratasy (Na: circulaires) maro sy boky maro ary hafatra maro tamin’ny Internet najoro hanohitra ity boky ity sy ny rahalahy Philippe nefa dia nitoetra ho tsy nanan-kery fotsiny ihany satria ny voarakitra ato dia Hafatra ara-paminaniana avy any amin’ny Lanitra nomen’Andriamanitra Izy Tenany tamin’ny alalan’ny Anjely iray, ny 24 aprily 1993.
Ary raha sendra zavatra henjana na sarotra azo ianareo, dia raiso toy ny taolana amin’ny hena ihany izany, atokany toerana aloha, dia tohizo ny fisakafoana. Mandehana am-pitoniana hatramin’ny faran’ireto toriteny ireto mialohan’ny hamaliana (Na: hanomezana fihetseham-po) na hametrahana fanontaniana satria mety ho hitanareo sahady ao amin’ny tohin’ny toriteny ny valin’izay nanitikitika ny sainareo teo.
Ary mety ho diso ianareo raha avy hatrany dia handà (Na: hanilika) Ity. Etsy an-danin’izany, miangavy anareo izahay ny mba handefa ity boky ity amin’ireo olom-pantatrareo maneran-tany. Afaka atontanareo amin’ny trano printy, na adikanareo (Na: atao photocopie), amin’ampahany na manontolo izy ity. Ity boky ity, amin’ny endriny feno araka izao ahitanareo azy izao, dia nivoaka tamin’ny 29 Martsa 2006, ilay andro izany nisian’ny fanakona-masoandro (éclipse) teo amin’ny kontinenta efatra.
Amin’ny tanàna na firenena izay hahatongavan’ity Hafatra ity, dia miangavy izahay ny mba hiantsoan’olona izay nanaiky Izany anay na koa ny hanoratany aty aminay.
Maro amin’ireo olona miteny anglisy no mangataka ity aminay saingy tsy manana afa-tsy dikanteny frantsay izahay, koa raha mba amin’ny alalanareo, no ahafahanay mahazo ny dikanteny na fandefasana azy amin’ny fitenim-pirenena hafa, indrindra fa anglisy, hahafahan’ny hafa hamaky Izany, dia faly indrindra izahay. [Ho an’ireo izay tsy mahay mamaky teny kosa, efa misy izao ny endrika azo henoina amin’ireto toriteny ireto.] Koa tahaka ilay Vehivavy Samaritana, zarao amin’ny olona (Na: ijoroy vavolombelona) izay nataon’Andriamanitra ary ataovy izay hahafantaran’ireo olona rehetra manodidina anao izany.
Mino izahay fa ity Hafatra ity dia natolotra ho an’ny tany manontolo ary mino izahay fa Andriamanitra dia hanangana ako isa-pirenena ary ho tanteraka tokoa izany. Andriamanitra anie hitahy anareo!
FANAMARIHANA: Ny ankamaroan’ireo toriteny dia nosoratana na nadikan’ny rahalahy Abou Kamagaté sy Tchabia Fofana avy tamin’ny raki-peo.
miverina any amin’ny lisitra